Alatsinainy 05 jolay 2027

Alatsinainy Fahaefatra ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin'ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon'ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin'ny fanandevozan'ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 28, 10-22a

Boky Jenezy

« Nahita tohatra iray nijoro izy, sy ny Anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy ary Andriamanitra niteny. »

Tamin'izany andro izany, niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna. Nony tonga tao amin'ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro. Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana, dia nandry teo, tamin'izany fitoerana izany. Ary nanonofy izy, ka indro nisy tohatra anankiray niorina tamin'ny tany tafapaka amin'ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Ary niseho terý ambony ny Tompo ka nanao hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitr'i Abrahama, rainao, sy Andriamanitr'i Isaaka; io tany andrianao io dia homeko anao sy ny taranakao. Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin'izay halehanao rehetra, sy hampody anao indray amin'itý tany itý. Fa tsy handao anao Aho, mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 90, 1-2. 3-4. 14-15ab
Fiv.: Andriamanitra ô, Ianao no itokiako.

'Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon'ilay Avo. Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo. O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho, Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amin'ny fandrika mandavo. Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono. Eo ambanin'ireo elany no anaronany anao. Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko. Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena. Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly. Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 18-26
« Maty vao izao ny zanako vavy ka tongava Ianao dia ho velona izy. »

Tamin'izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben'ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: “Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy.” Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin'ny mpianany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan'andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Kômonio Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.