Zoma 02 jolay 2027

Zoma Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67

Boky Jenezy

« Tia an-dRebekà tokoa i Isaaka ka nionona ny alahelony an-dreniny. »

Ny andro niainan'i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany. Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin'ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an'i Sarà sy hitomany azy. Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan'ny maty, ka niteny tamin'ny zanak'i Heta hoe: “Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.” Izay i Abrahama vao nandevina an'i Sarà vadiny, tao an-johin'i Makpelà, tandrifin'i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin'ny tany Kanaana. Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama sady nosoavin'ny Tompo tamin'ny zavatra rehetra. Ary hoy i Abrahama tamin'ny mpanompony, ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra: “Ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, hampianianako anao amin'ny Anaran'ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany fa tsy haka vady ho an'ny zanako ao amin'ny zanakavavin'ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao, fa any amin'ny tanindrazako, any amin'ny tany niaviako no halehanao haka vady ho an'i Isaaka zanako.” Ary hoy ny navalin'ilay mpanompony: “Angamba tsy hety hiaraka amiko hankatý amin'itý tany itý ny vehivavy; ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin'ny tany niavianao?” Hoy i Abrahama taminy: “Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako. Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon'ny raiko, sy tany amin'ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: 'Homeko ny taranakao itý tany itý', dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao, ka haka vady avy any ho an'ny zanako ianao. Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin'izao fianianana ampanaoviko izao ianao; fa aza entina mankany ny zanako.” Tamin'izany i Isaaka tonga avy any amin'ny fantsakan'i Kaï-Roy ka nonina teo amin'ny tany Atsimo. Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy, ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy. I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an'i Isaaka, dia nitsambikina niala teny amin'ny rameva; ary nanao tamin'ilay mpanompo hoe: “Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?” Dia hoy ilay mpanompo: “Ny tompoko iny.” Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran'itý mpanompo tamin'i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony. Dia nampandrosoin'i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain'i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5.
Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny hatsaram-pony. Iza no hahalaza ny Asa maherin'ny Tompo? Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?
Sambatra izay mitandrina ny rariny, sy manao ny hitsiny amin'ny fotoan-drehetra! Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin'ny famonjenao izahay: te-hahita ny hasambaran'ny Voafidinao, sy hifaly amin'ny fifalian'ny firenenao! Eny, izahay te-hiravo miaraka amin'ny Lovanao.

Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 9-13
« Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona. »

Tamin'izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin'ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: “Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.