Alarobia 30 jona 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Efa zato taona i Abrahama tamin'ny nahaterahan'i Isaaka zanany. Nihalehibe ny zaza dia notàzana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin'ny andro nanotazana an'i Isaaka. Ilay zanak'i Agara Ejipsianina naterany tamin'i Abrahama kosa, hitan'i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin'i Abrahama: “Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin'ny zanako, amin'i Isaaka.” Nampalahelo mafy an'i Abrahama izany teny izany, noho ny amin'ny zanany. Fa hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: “Aza atao mampalahelo anao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin'i Sarà, ekeo avokoa, satria avy amin'i Isaaka no hiavian'ny taranaka hitondra ny anaranao. Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.”
Itý ory: velona antso ka novalian'ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy. Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Matahora ny Tompo ianareo masiny: fa izay matahotra Azy tsy orin'inona. Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana; izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.
Avia, rey anaka, mihaino ahy hampianariko ny tahotra ny Tompo! Iza no olona mankamamy fiainana sy maniry hahita andro mahasambatra?
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 28-34Tamin'izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin'ny tanin'ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran'ny demony, nivoaka avy tamin'ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak'Andriamanitra? Hampijaly anay alohan'ny fotoana va no nalehanao atý?” Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin'i Jesoa ny demony nanao hoe: “Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin'iretsy andian-kisoa iretsy.” Ary hoy Izy taminy: “Mandehana.” Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin'ny kisoa; niaraka tamin'izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin'ireo olona roa nidiran'ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an'i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin'ny faritaniny.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.