Zoma 25 jona 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jenezy
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika. Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao: solofon'ôliva manodidina ny latabatrao. Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra hiainanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 1-4Tamin'izany andro izany, raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahin'ny vahoaka betsaka. Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: “Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.” Ary i Jesoa naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao.” Dia afaka niaraka tamin'izay ny habokany. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tandremo, aza milaza na amin'iza na amin'iza, fa mandehana miseho amin'ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian'i Môizy haterina mba ho vavolombelon'ny fahasitrananao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.