Alarobia 09 jona 2027

Alarobia Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 3, 4-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Nataony mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao izahay, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy. »

Ry kristianina havana, Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin'ny alalan'i Kristy. Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin'ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian'ny fahampianay, Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy, satria ny soratra mahafaty fa ny fanahy no mahavelona. Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin'ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan'i Môizy ny zanak'i Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana, tsy mainka va ny fandraharaham-panahy no hodidinim-boninahitra? Eny, raha ny fandraharana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana; ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an'ilay voalohany, raha oharina amin'ny an'itý ankehitriny ambony lavitra. Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra itý maharitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 98, 5. 6-7. 8. 9.
Fiv.: Eny, marina ny Tompo Andriamanitsika.

Asandrato Andriamanitra Tompo. Ny fitoeran'ny tongony ihohofy. Fa satria Izy Masina indrindra.
I Samoela, i Môizy, i Aarôna, raha niantso dia novaliany, tao anaty andry rahona fotsy. Ka mitandrina izay nolazainy, sy nandray ny lalàna nomeny.
Eny, ry Andriamanitra Tompo, novalianao tokoa izy ireo. Lefitrao izay rehetra nataony; faizinao kosa ireo hadisoany.
Asandrato Andriamanitra Tompo, ka ny Vohitra masiny ihohofy! Fa satria Izy masina indrindra, asandrato ny Tompo Mpamonjy.

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 17-19
« Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. »

Tamin'izany andro izany, hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. Koa amin'izany izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.