Alarobia 02 jona 2027

Alarobia Fahasivy tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 24, 16. 18

Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.

Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Tôb. 3, 1-11. 24-25

Bokin'i Tôbia

« Indray nekena teo anatrehan'ny voninahitr'ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo. »

Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe: “Marina Ianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra. Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsiahivinao ao amin'ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an'ny razako. Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin'ny fandrobana, ho amin'ny fahababoana, ho amin'ny fahafatesana sy ho amin'ny fihomehezana ary ho amin'ny fandatsana eo amin'ny firenena rehetra nanelezanao anay. Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin'ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. Koa amin'izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9.
Fiv.: Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko.

Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko: tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin'ny fahavaloko! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra; ny mpivadika tsy amin'antony no ho azon-kenatra.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy; ny soritrao, ampianaro ahy! Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ry Tompo: fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao, izay efa hatramin'ny fahagola! Ny otako fahazaza, ry Tompo, hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin'ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.

Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava, manilo ny maso.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 12, 18-27
« Andriamanitry ny velona Izy fa tsy Andriamanitry ny maty. »

Tamin'izany andro izany, dia nanatona an'i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan'ny maty ka nanontany Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan'i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?” Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin'ny Bokin'i Môizy, amin'ilay misy ny voaroy, izay nolazain'Andriamanitra taminy hoe: “Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, ary Andriamanitr'i Jakôba?” Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Kômonio Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny fanjakan'ny lanitra.