Alahady 09 mey 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
FITIAVANA SY FAHAMARINANA NO TENA ENDRIK'I KRISTY
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!
Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak'olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr'izao tontolo izao.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly
Fankalazana ny tenin'Andriamanitra
VAKINTENY MASINA VOALOHANY
Tamin'izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan'ireo havana iray finoana i Piera (tokony ho roapolo amby zato no isan'izay nivory teo) ka nanao hoe: “Ry kristianina havana, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an'i Jesoa; fa anisantsika koa izy, sady nanana anjara tamin'izao fandraharahantsika izao. Ary izany indrindra no voasoratra ao amin'ny bokin'ny Sala
Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Tahaka ny lanitra mambomba ny tany ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy. Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany, mifehy ny tontolo ny Fanjakany. Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny izay feno hery hankatò ny didiny.
Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly
Ry hava-malala, efa notiavin'Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa. Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin'Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana dia mitoetra ao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 17, 11b-19Tamin'izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: “Ray masina ô, tahirizo amin'ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy. Raha mbola teo amin'izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin'ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin'izao tontolo izao, mba hananan'izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao, ka halan'izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao Ahy no tsy mahaolon'izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin'ny Ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon'izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon'izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin'ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin'izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin'ny fahamarinana koa izy”.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!
Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin'ny Eglizy rantsam-batan'i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin'Izy Filohanay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.