Talata 09 febroary 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an'Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan'ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Hoy Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be zava-manan'aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin'ny tany, eny amin'ny habakabaky ny lanitra.” Dia noarîn'Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra mihelotrelotra anatin'ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin'ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. Dia nitso-drano an'ireo Andriamanitra nanao hoe: “Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin'ny tany.” Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.
Raha nahita ny lanitra nataon'ny tananao aho, ny volana, ny kintana izay namboarinao. Fa inona ny olona no mba tsiahivinao, ny zanak'olombelona he tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho ireo andriamanitra izy, ka heni-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy, ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany!
Dia omby aman'ondry omban'ny bibidia, ny biby izay mandady sy mandia izany tany; ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina izay miriaria sy mifaly eny ambonin'ny onja.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 7, 1-13Tamin'izany andro izany, niangona teo amin'i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. — Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.
Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.
Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin'i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an'izao tontolo izao.