Asabotsy 23 janoary 2027

Asabotsy Faharoa tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 9, 2-3. 11-14

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Ny Ran'ny Tenany no nentiny niditra tao amin'ny toerana marina indrindra. »

Ry kristianina havana, nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. Ary ny efitra lamba faharoa kosa, dia atao hoe fitoerana masina indrindra. Fa i Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin'ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan'izao zava-boaary izao; sady tsy mba ran'osilahy na ran-janak'omby, fa ny Ran'ny Tenany no nentiny niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. Ary raha ny ran'osilahy sy ny ran-janak'omby aza mbamin'ny famafazana ny lavenom-bantotr'ombivavy, nanamasina izay voaloto amin'ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran'i Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin'ny asa maty, mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 46, 2-3. 6-7. 8-9.
Fiv.: Andriamanitra miakatra arahina hoby.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana! ianareo andriamanitra manaova hora-pifaliana! Fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra, Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo.
Andriamanitra miakatra arahina hoby; ny Tompo misandratra amim-peon'anjomara! Antsao Andriamanitra! antsao! Antsao ny Mpanjakantsika! antsao!
Fa Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra; koa antsao amim-pirindrana! Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena; Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 3, 20-21
« Hoy ny havany: Efa very saina Izy. »

Tamin'izany andro izany, niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany, dia nivory indray ny vahoaka, ka tsy afa-nihinana akory izy ireo. Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy, fa hoy izy ireo: “Efa very saina Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Kômonio Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.