Alarobia 20 janoary 2027

Alarobia Faharoa tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Heb. 7, 1-3. 15-17

Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio

« Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka. »

Ry kristianina havana, io Melkisedeka io, izay mpanjakan'i Salema, mpisoron'ny Avo indrindra, nitsena an'i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, notoloran'i Abrahama ny ampahafolon'ny babony rehetra; — “mpanjakan'ny fahamarinana” no hevitr'anarany voalohany, vao “mpanjakan'i Salema” koa, izany hoe “mpanjakan'ny fiadanana”; tsy ray tsy reny izy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana — ka nampitoviana tamin'ny Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay. Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an'i Melkisedeka: tsy mba voatendry araka ny didin'ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainany tsy manam-pahataperana, fa toy izao no anambaràna azy: “Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 109, 1. 2. 3. 4.
Fiv.: Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka.

Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko: «Mipetraha ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»
Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo: «Avy ao Siôna, manjakà hatr'anivom-pahavalo!»
Fa Anao ny fiandrianana hatramin'ny andro nahaterahanao! Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina: toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan'ny Tompo ka tsy hanenenany: «Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka!»

Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin'ny vavanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 3, 1-6
« Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono? »

Indray Sabata, i Jesoa niditra tao amin'ny Sinagôga, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an'ila tao. Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an'io amin'ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Izy tamin'ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna etsy afovoany.” Ary hoy koa Izy tamin'ny olona: “Inona no mety hatao amin'ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban'ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany. Ary lasa nivoaka ny Farisianina: ka niaraka tamin'izay dia niara-nihevitra tamin'ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Kômonio Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.