Alatsinainy 18 janoary 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin'ny olona, dia tendrena ho solon'ny olona amin'ny fifampiraharahany amin'Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota, sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza, mba voan'ny fahalemena ihany koa, ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an'ny tenany, toy ny ataony ho an'ny vahoaka ihany koa izy. Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany, afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra tahaka an-dry Aarôna ihany. Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” sy nilaza tamin'ny teny hafa koa hoe: “Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka.” Tamin'ny andron'ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'Ilay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana sady nohenoiny noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin'ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny efa tonga amin'izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay manaiky Azy, fa antsoin'Andriamanitra hoe: Mpisorombe araka ny fomban'i Melkisedeka.
Tenin'ny Tompo amin'ny Tompoko: «Mipetraha ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao! »
Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo: Avy ao Siôna manjakà hatr'anivom-pahavalo.
Fa anao ny Fiandrianana hatramin'ny andro nahaterahanao! Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina: toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan'ny Tompo ka tsy hanenenany: «Ianao Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkisedeka! »
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 2, 18-22Tamin'izany andro izany: fanaon'ny mpianatr'i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: “Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo mifady ny naman'ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin'ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.