Asabotsy 16 janoary 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Teny amin'ny lanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana no nahitako an'ilay Lehilahy tsaohin'ny Anjely alinkisa amin'ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.
Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo. Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan'Andriamanitra, fa mihanjahanja sy miharihary eo imason'Izy hampamoaka antsika ny zavatra rehetra. Koa noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak'Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro ilàntsika izany.
Ny lalàn'ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin'ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra. Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny baikon'ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran'ny Tompo fahamarinana samy rariny avokoa. Ho sitraka eo anoloanao anie ny vetson'ny foko sy ny tenin'ny vavako, ry Tompo vatolampiko, ry ilay Mpanavotra ahy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 2, 13-17Tamin'izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an'i Levi zanak'i Alfe nipetraka tao amin'ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe: “Andeha hanaraka Ahy.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin'ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin'ny Farisianina dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: “Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon'aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.
Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin'ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin'ny toetra mendrika.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.