Talata 05 janoary 2027
Fanombohana ny Sorona Masina
Herinandro manaraka ny Epifania
Hisaorana amin'ny Anaran'ny Tompo anie Ilay tonga etý amintsika, fa Andriamanitra mpanazava antsika ny Tompo.
Andriamanitra ô, nitafy nofo tahaka anay ny Zanakao Lahitokana; mitovy aminay Izy eto ivelany, ka enga anie hitovy aminy izahay ao anaty.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin'Andriamanitra, sy mahalala an'Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy, tamin'ny nanirahany ny Zanany Lahitokana ho eo amin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika.
Andriamanitry ny fahamarinana ô! mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak'andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Ka ny vohitra hitrotro fiadanana, ny havoana hivimbina ny hitsiny; ny mahantra sy ny ory hotsimbininy, ny mpamoritra kosa hofongorana.
Amin'ny androny hamony ny rariny, ary mandra-pahafatin'ny volana; ranomasina no ho sisin-taniny, ary ny ony no ho valam-parihiny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 6, 34-44Tamin'izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Ny tany efitra; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin'ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo: “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy: “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny?” Ary hoy Izy taminy: “Manana mofo firy ianareo? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy: “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin'ny ahi-maitso izy ireo; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan'ny olona, ary nozarainy tamin'izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary ny sombintsombin'ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin'ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan'ny nihinana tao.
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin'izao Sorona masina izao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Fatra-pitia antsika Andriamanitra ka naniraka ny Zanany haka nofo hitovy amintsika vesaram-pahotana.
Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay; koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr'izany Sakramenta izany, ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanomponao lavorary.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.