Alatsinainy 23 novambra 2026

Alatsinainy Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apok. 14, 1-3. 4b-5

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Voasoratra teo an-kandrin'izy ireo ny anaran'i Kristy sy ny anaran-dRainy. »

Nijery izaho Joany, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr'i Siôna ny Zanak'ondry; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy, ary voasoratra teo an-kandrin'ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy. Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa. Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan'ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan'ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo, izay navotana ho afaka amin'ny tany. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin'ny olona, ho santatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry; ary tsy misy lainga eo am-bavan'izy ireo fa tsy manan-tsiny izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

An'ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy izay monina ao aminy. Fa Izy no nanangana azy teo ambony ranomasina, sy nanorina azy teo ambonin'ny ony!
Iza no hiakatra ny Vohitry ny Tompo? Zovy no hiorina ao amin'ny Toerany Masina? Dia izay madio tanana sy mahitsy fo, tsy mianiana tsy tò amin'ny namana!
Izy no hahazo ny tso-dranon'ny Tompo; ny fahamarinan'ilay Andriamanitra Mpamonjy azy! Izany no taranaka mitady Azy, mikatsaka ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakôba.

Aleioia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Aleioia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 1-4
« Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin'ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an'Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin'ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.