Asabotsy 14 novambra 2026

Asabotsy Faharoa amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 87, 3

Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 3 Jo. and. 5-8

Taratasy Fahatelon'i Md. Joany Apôstôly

« Tsy maintsy manohana ny rahalahy isika mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. »

Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin'ny rahalahy, fa indrindra amin'ireo vahiny; ka nambaran'izy ireo teo anatrehan'ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an'Andriamanitra ianao, amin'ny fandehanan'izy ireo; fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan'izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin'ny jentily izy. Tsy maintsy manohana ny olona toa ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6
Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan'ny olo-marina tahìna.
Fananana sy harena no ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! ny anaran'ny olo-marina ho mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 18, 1-8
« Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin'ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin'ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an'Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin'izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: 'Omeo rariny aho amin'ilay miady amiko'; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin'ny farany dia hoy izy anakampo: 'Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.' Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain'ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak'Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin'ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Kômonio Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.