Alakamisy 12 novambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Filemôna
Ry malala, mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao, noho ianao efa namelombelona ny fon'ny olona masina. Koa amin'izany na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin'i Kristy amin'izay tokony hataonao, dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana. Hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr'i Kristy koa ankehitriny; dia mifona aminao ho an'i Onesimo zanako naterako teto am-patorana, izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny, dia ianao sy izaho. Ampodiko atý aminao izy, ilay sombin'ny aiko. Nikasa hihazona azy tatý amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao, eto amin'ny fifatorako noho ny amin'ny Evanjely; saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao, mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa. Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao, dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony, fa mihoatra ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala, ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo na araka ny Tompo. Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy; ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao, dia ataovy ho trosako aminao izany. Izaho Paoly no manoratra itý amin'ny tanako, izaho no hanefa izany, mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin'ny tenanao aza. Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin'ny Tompo ianao, ka velombelomy ao amin'i Kristy ny foko.
Tompo nanao ny lanitra sy ny tany, sy manome rariny ny ampahoriana! Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan'ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina, fa mampiviona kosa ny olon-dratsy; Tompo manjaka mandrakizay: dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin'ny taona mifandimby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 20-25Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanontanian'ny Farisianina izay andro hiavian'ny fanjakan'Andriamanitra, ka namaly hoe: “Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan'Andriamanitra, ary tsy hataon'ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan'Andriamanitra.” Dia hoy koa Izy tamin'ny mpianany: “Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan'ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin'ny lafiny iray ka hatrany amin'ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin'ny Zanak'Olona amin'ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin'itý taranaka itý.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.