Asabotsy 07 novambra 2026

Asabotsy Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fil. 4, 10-19

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy

« Mahefa ny zavatra rehetra aho amin'Ilay mankahery ahy. »

Ry kristianina havana, nahazo hafaliana lehibe ao amin'ny Tompo aho, fa indro hitako mamony indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy. Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin'izay ananako aho, ka haiko ny mihafy, haiko ny manam-be. Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho, ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona, na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona. Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin'Ilay mankahery ahy; nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko. Ary fantatrareo koa, ry Filipianina, fa tamin'ny niandohan'ny Evanjely, rahefa niala tany Masedônia aho, dia tsy nisy Eglizy nifanao kaontin'ny miditra sy mivoaka tamiko, afa-tsy ianareo ihany. Fony aho tany Tesalônika aza, dia nampanateranareo fanampiana indray mandeha aloha, dia nisy fanindroany koa. Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko. Efa miadana aho izao, ary manana ny ampy sy feno mihitsy, nahazo ny zavatra nampanaterinareo an'i Epafrôdita, izay toy ny zava-mani-pofona sy fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra, raisiny an-kafaliana. Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombany voninahitra ao amin'i Kristy Jesoa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 111, 1-2. 5-6. 8a sy 9
Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan'ny olo-marina tahìna.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! Ny anaran'ny olo-marina ho mandrakizay.
Ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay; malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay, ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 16, 9-15
« Raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin'ny kely dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin'izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.