Alakamisy 05 novambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy
Ry kristianina havana, isika no tena voafora, dia isika izay manompo an'Andriamanitra amin'ny Fanahy, sy manao an'i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin'ny nofo. Mba manana izay hitokiako amin'ny nofo ihany anefa aho, ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin'ny nofo, mainka fa izaho; fa izaho dia isan'ny voafora tamin'ny andro fahavalo, taranak'i Israely avy amin'ny fokon'i Benjamina, Hebrio teraky ny Hebrio; Farisianina aho, raha ny amin'ny Lalàna; mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin'ny zotom-po; tsy manan-tsiny, raha ny amin'ny fahamarinana ny amin'ny Lalàna. Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin'i Kristy. Eny, mbola ataoko ho faty antoka izany rehetra izany, raha oharina amin'ny fahambonian'ny fahalalana an'i Kristy Jesoa Tompoko.
Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany Masina! Miravoa ny fon'ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny Tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony! ny asany mahatalanjona, ny fitsaran'ny Vavany.
Ry taranak'i Abrahama mpanompony, ry zanak'i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 15, 1-10Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.” Dia nanao itý fanoharana itý tamin'izy ireo i Jesoa hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an'efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin'ireo hoe: 'Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.' Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin'ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin'ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.” Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.
Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.