Talata 03 novambra 2026

Talata Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fil. 2, 5-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy

« Nilatsa-tenany ho ambany Izy, ka dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra »

Ry kristianina havana, manàna izao saina amam-po hita tao amin'i Kristy Jesoa izao: na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin'Izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijalina. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin'ny Anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etý an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 21, 26b-27. 28-30a. 31-32
Fiv.: Hametsovetso Anao ao am-Piangonana aho, ry Tompo.

Hanala voady anoloan'ny matahotra Azy aho. Ny ory hihinana ka ho voky; ireo mitady ny Tompo hidera Azy. Veloma ny ainareo mandrakizay mandrakizay.
Ny faran'ny tany hahatsiaro, ka hiverina amin'ny Tompo; ny fiankohonam-pirenena hiankohoka eo anoloany avokoa.
Eny, ny Tompo no manjaka! Izy no mifehy ny firenena! Ireo rehetra matory amin'ny tany hiankohoka aminy.
Ny fanahiko hivelona aminy, ny taranako hanompo Azy. Ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo; ny vahoaka vao ho teraka hanambarana ny Fahamarinany.

Aleloia. Aleloia.
Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin'i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Kristy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 15-24
« Mandehana mankany amin'ny kianja sy ny lalam-ben'ny tanàna, ka tereo ny olona hiditra mba ho feno ny tranoko. »

Tamin'izany andro izany, nony avy nandre ny tenin'i Jesoa ny anankiray tamin'izay niara-nihinana taminy, dia nanao tamin'i Jesoa hoe: “Sambatra lahy izay hanana anjara amin'ny fihinanam-be any amin'ny fanjakan'Andriamanitra.” Fa hoy Izy taminy: “Nisy lehilahy anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia naniraka ankizilahy iray izy hanainga ny nasaina hoe: 'Ndeha ianareo, fa efa vonona ny zavatra rehetra.' Fa samy niala tsiny izy rehetra. Hoy ny voalohany taminy: 'Efa nividy saha aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko e.' Hoy kosa ny faharoa: 'Efa nividy omby folo aho, ka handeha hitsapa azy; koa mihanta aminao aho, aoka re tsy ho tsiniko.' Ary hoy koa ny anankiray: 'Vao nampaka-bady aho ka tsy afa-mankany.'

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.