Asabotsy 31 oktobra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy
Ry kristianina havana, rahefa i Kristy no torìna, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza. Satria fantatro fa hody ho famonjena ahy izany, noho ny fivavahanareo sy noho ny fitahian'ny Fanahin'i Kristy; tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin'inona na amin'inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin'ny tenako i Kristy, na velona aho na maty. Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin'ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran'ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan'izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin'i Kristy moa, irìko sy tsara lavitra: nefa ny hitoetra amin'ny nofo kosa no ilaina kokoa noho ny aminareo. Ary izany indrindra no ampoiziko sy fantatro, dia ny hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra, mba hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo. Ka dia hitombo ao amin'i Kristy Jesoa ny reharehanareo noho ny amiko, amin'ny hankanesako atý aminareo indray.
Mova tsy serfa 'zay lian-doharano ny foko efa liana ny Tompoko? Mangetaheta ny Tompo ny foko, d'ilay Andriamanitra velona!
Mba rahoviana aho re no handroso hiseho anoloan'Andriamanitra? Zary sakafoko ny ranomaso, indrisy isan'andro isan'alina!
'Zany aho fahiny raha niakatra an-drova. Hihaona amy Tompo Andriamanitro! Drey ny hafaliako eo anivom-bahoaka, nandredona hiram-pisaorana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 1. 7-11Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisianina anankiray i Jesoa dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary nony hitan'i Jesoa ny hamaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao itý fanoharana itý tamin'izy ireo Izy nanao hoe: “Raha asaina amin'ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: 'Omeo an'itý ny fitoeranao', ary amin'izay, dia ho menatra ianao hifindra arý amin'ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: 'Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa'; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.