Alakamisy 29 oktobra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, dia tsy hiraika amin'izay fanangolen'ny demony akory ianareo. Fa tsy amin'ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin'ny fifehezana, amin'ny fahefana, amin'ny andrian'izao tontolo maizina izao, amin'ny fanahy ratsy eny ambony eny. Koa raiso avokoa àry ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin'ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rahefa niala nenina. Aza miraika, fa sikino fahamarinana ny andilanareo, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin'ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipîka afo rehetra alefan'ilay Ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. Ataovy lalandava ao amin'ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin'izany dia miambena amin'ny faharetana rehetra, sy amin'ny fivavahana ho an'ny olona masina rehetra; dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran'ny Evanjely, (izay anaovako ny raharahan'ny ambasadaoro eo am-pigadrana) dia hitory azy tsy amin-tahotra araka izay mety hataoko aho.
Isaorana ny Tompo Vatolampiko, Ilay mampianatra ny tanako hamely; ny sandriko hiady.
Ilay Fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy! Ilay ampinga sy aroko, mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!
Andriamanitra ô! hira vao no hiraiko aminao! Valiha tory folo no iantsàko Anao! Ianao ilay manome fandresena ny mpanjaka, sy manafaka an'i Davida mpanomponao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 13, 31-35Tamin'izany andro izany, dia nisy Farisianina sasany nanatona an'i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Mandehana miala eo Ianao, fa tadiavin'i Herôda hovonoina.” Dia hoy Izy tamin'ireo: “Mandehana lazao amin'izany amboadia izany hoe: Indro mandroaka demony sy manasitrana marary Aho anio sy rahampitso, fa amin'ny andro fahatelo vao ho tanteraka ny amiko. Kanefa tsy maintsy tohiziko ihany ny diako anio sy rahampitso ary rahafakampitso; satria tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan'i Jerosalema. Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina aminao, impiry re no nitadiavako hamory ny zanakao tahaka ny reniakoho mambomba ny zanany eo ambany elany, fa tsy nety ianareo! Ary indro fa avela aminareo ny tranonareo. Fa lazaiko aminareo fa tsy hahita Ahy intsony ianareo ambara-pilazanareo hoe: Hosoavina anie Ilay avy, amin'ny Anaran'ny Tompo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.