Talata 20 oktobra 2026

Talata Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Efez. 2, 12-22

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy

« Nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, tamin'ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an'i Kristy, voasaraka tamin'ny fikambanan'i Israely; olon-ko azy tamin'ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesoa; ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan'ny Ran'i Kristy akaiky. Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin'ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin'ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin'Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. Ary tonga Izy nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin'ireo izay akaiky koa, satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin'ny Fanahy iray ihany. Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony ary ianareo, fa mpiray fanjakana amin'ny olo-masina sy isam-pianakavian'Andriamanitra; ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan'ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin'ny Tompo ao aminy no andrafetan'ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Fiv.: Hihaino izay lazain'ny Tompo aho.

Hihaino izay lazain'ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an'ny olony? Eny, akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny ka honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana. Mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany! Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana, eo amin'ny soritry ny diany.

Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 12, 35-38
« Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan'ny tompony avy any amin'ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin'izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin'ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin'ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.