Talata 01 septambra 2026
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza. Iza ary no hahalala izay ao am-pon'ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen'Andriamanitra antsika tamin'ny fahasoavany. Tsy mba amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no ilazanay an'izany, fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin'ny teny ara-panahy koa.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsara amin'ny olon-drehetra ny Tompo; mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Tompo ô! midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao; amin'ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra! Ny Tompo manohana izay rehetra lavo, sy mampitraka izay mitanondrika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 4, 31-37Tamin'izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan'i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin'ny sabata, ary gaga ny olona tamin'ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin'ny sinagôga dia nisy lehilahy azon'ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: “Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin'Andriamanitra.” Fa notenenin'i Jesoa mafy izy nataony hoe: “Mangina ary mialà amin'io lehilahy io.” Dia nandavo azy tamin'ny tany teo afovoan'ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: “Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.” Ary niely tamin'izany tany rehetra izany ny lazany.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.