Md. Charles Le Bon

Nampidirin'i admin

Nampiditra : admin
Daty : 02/03/2015

Zanak'i Masindahy Canut mpanjakan'i Danemark tamin'ny taonjato faha-11 i Charles. Notendrena ho Comte hizaka ny Flandres izy nony niverina avy nanao ny adim-panafahana ny Tany Masina, ny taona 1119. Nampanjaka tanteraka ny fandriampahalemana sy ny rariny i Charles sady fata-pitia ny mahantra sy tia vavaka ka nomen'ny olona anarana hoe: "Le Bon".
Ny 02 marsa 1127 no namonoan'ny tompomenakely iray an'i Charles, noho ny fialonany ny fitiavan'ny vahoaka azy. Vetivety foana dia najain'ny olona ho martiry sy olomasina izy.
" Ramora" na "Randriamora" no mety handikàna ny anarana hoe "Le Bon"

Loharano: RadioDonBosco

Hevitra

MRSR - 07/03/2015 09:20
Ahoana no atao raha hijery tanataran'olomasina raha toa ka efa dila ny daty tokony hijerena azy?
Valio MRSR
admin - 08/03/2015 16:17
Ao amin'ny http://katolika.org/olomasina
Valio admin

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0092 s.] - Hanohana anay