Md. Gabin - 19 febroary

Mpiasampanjakana ambony sady fianakavian’ny amperôra Dioclétien i Gabin. Maty martiora tao Rôma tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-3.
Herimpo mahatalanjona no namoizany ny toerana maha-Senatera-n’i Rôma azy fa nibebaka izy ary nanolo-tena ho an’i Kristy. Nampangaina noho izany izy ka voaheloka ary naiditra am-ponja niaraka tamin’i Suzanne zanany vavy izay kristianina ihany koa. Nony novonoina martiora ny zanany tamin’ny taona 296 dia nandà tsy hihinan-kanina intsony i Gabin ka matin’ny hanoanana tao am-ponja.
Ny evitrin'ny teny hoe Gabin dia avy amin'ny anarana tanana ao Italie ampovoany antsoina hoe Gabis.

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104