Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?

Alahady 31 janoary 2016

Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona (Taona D)

« Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity? »

(Lk. 4: 22)

Henontsika tamin’ny Alahady heriny fa tahaka ny fanaon’ny Jody rehetra amin’ny andro sabata dia niditra tao amin’ny sinagoga tao Nazareta, izay tanàna nahabe azy i Jesoa. Tamin’izay fotoana izay dia nitsangana izy mba hanao ny famakian-teny ary dia natolotra azy ny bokin’Izaia mpaminany. Henontsika tamin’izany fa « nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagoga » (Lk. 4 : 20). Rehefa izany dia niteny tamin’ireo olona niara-nivavaka taminy tao amin’ny sinagoga izy ka nilaza hoe : « androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany » (Lk. 4 : 20). Hitantsika amin’izao fa io tenin’i Jesoa io no namarana ny Evanjely henontsika tamin’ny Alahady heriny ary mbola io teny io ihany koa no manokatra ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona izao. Izany dia manambara amintsika fa tena zava-dehibe tokoa ny nilazan’i Jesoa fa izy no ilay voalaza ao amin’Izaia Mpaminany araka ilay vakiteny naroso azy manao hoe : « Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorina ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana » (Lk. 4 : 17 – 19).

Nony nandre izany teny nataon’i Jesoa izany ireo olona nihaino azy, araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia « nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo : Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity? » (Lk. 4 : 22). Tena marina tokoa fa tsy olom-baovao tamin’ireo olona tonga tao amin’ny sinagoga sy niara-nivavaka taminy i Jesoa. Noho i Nazareta tanàna nahabe azy dia tsy nisy niafina tamin’ny olona ny fiainany rehetra nandritra ny fahazazany. Fantatr’ ireo mpiara-monina taminy tsara ny trano fonenany, ny Ray aman-dReny niteraka azy dia i Josefa sy Maria, ny havany sy ny asa aman-draharaha fanaony. Mety tsy nampoizin’izy ireo fa io Jesoa izay miara-monina amin’izy ireo io no irak’Andriamanitra hamonjy an’izao tontolo izao ka efa tsinjon’Izaia Mpaminany mialoha. Tena tsy nampoizin’ireo olona nihaino azy tokoa io fanambarana nataon’i Jesoa io ka na teo aza ny fankalazan’izy ireo azy dia nametram-panontaniana mahakasika izany ihany koa izy ireo.

Hita miharihary fa maro no nisalasala ka tsy nino akory ny teny voalazan’i Jesoa, izany indrindra no nahatonga azy nilaza hoe : « Marina raha tsy ataonareo amiko ilay oha-bolana hoe : Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaoma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe anao koa. Dia notohiziny hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy » (Lk. 4 : 23 – 24). Rehefa izany dia nambaran’i Jesoa tamin’izy ireo ihany koa ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra mahakasika ny zava-niseho tamin’ny andron’i Elia sy Elisea Mpaminany izay samy nirahin’Andriamanitra hitondra fahasoavana ho an’ny vahiny fa tsy ho an’ny mpiara-monina tamin’izy ireo. Hoy indrindra i Jesoa tamin’izy ireo hoe : « Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany ; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany » (Lk. 4 : 25 – 27).

Fantantsika tsara moa ny niafaran’ny tantara fa « tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagoga raha nandre izany, ka tafantsangana nandroaka azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana » (Lk. 4 : 28 – 29). Mazava tsara araka ny ambaran’ity Evanjely ity fa tsy mora tokoa ny mitory ny Tenin’Andriamanitra. Hitantsika ny nahazo an’i Jesoa rehefa nitory teny izy ka nanazava ny Bokin’Izaia Mpaminany ary nanambarany fa « androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany ». Tsy natahotra izy ary tsy nisalasala akory fa nilaza ny marina tamin’izy ireo, saingy izay filazany ny marina izay no tsy zakan’ireo nihaino azy. Mbola eo ampanombohana ny asa nanirahan’Andriamanitra Ray azy i Jesoa eto no tojo fanoherena sy fanenjehana satria nahasahy nijoro sy nanambara ny marina. Tsy mora tokoa ny mijoro amin’ny fahamarinana tahaka ny nahazo an’i Jesoa, ka ny fandinihantsika ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho androany ity dia mampiomana antsika fa tsy maintsy vonona hiaritra fanenjehana ihany koa isika rehefa mijoro amin’ny fahamarinana sy mitory ny tenin’Andriamanitra. Ny tena manahirana dia tsy olon-kafa fa ny mpiray tanana sy ny mpiara-monina amintsika ary ny havana aman-tsakaiza ihany no sakana tsy ahafahantsika tena mijoro amin’ny fahamarinana sy mitory ny tenin’Andriamanitra satria mihevitra izy ireo fa mahalala antsika ary tsy misy miafina amin’izy ireo ny kilema ananantsika.

Na eo aza izany dia tsy tokony ho kivy isika satria zavatra efa niainan’i Jesoa izany ka raha tiantsika ny handresy tahaka azy dia tsy maintsy miankina aminy hatrany isika. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona izao mba hahay hifampihaino sy hifanohana ary hifankatia marina tokoa. Mangataka ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra isika mba tsy ho ao amintsika ny fialonana ka rehefa mahita ny hafa manao zavatra tsara dia mamporisika sy mankahery azy fa tsy mialona na maneso. Mazava ny nahazo an’i Jesoa fa rehefa nilaza ny marina izy dia tsy nadray azy ny mpiara-monina taminy fa nandroaka azy. Sanatria amintsika ny hanao tahaka izany ka handroaka na hanevateva ny olom-patatra na mpiara-monina manao zavatra tsara, indrindra moa raha sendra ny asa fitoriana ny Tenin’Andriamanitra no ataony. Marina fa tsy misy ny mendrika sy lavorary fa samy mpanota daholo isika rehetra, tsy azo lavina fa ny mpiara-monina ihany no mahalala ny  toetra sy kilema ananan’ny tsirairay, saingy tsy izay kilema na tsy fahamendrehan’ny olona iray no tokony ho jerena fa izay fahasoavana entiny noho ny Tenin’Andriamanitra toriny sy ambarany.

Ny hifankatiavantsika no tena fanirian’i Jesoa ary averimberiny matetika izany koa na inona na inona fahalemena hitantsika amin’ny hafa dia izay fifankatiavana izay hatrany no tokony hampanjakaina satria araka ny ambaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany dia manam-pahataperana daholo ny zavatra rehetra fa ny fitiavana kosa dia tsy misy fetra. Hoy indrindra izy hoe : « Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy ; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo ; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo ; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho ny fahamarinany ; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa, dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato. Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika ; ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany » (1 Kôr. 13, 4-10). Enga anie izay fitiavana torin’i Md Paoly izay no hameno ny fontsika tsirairay avy amin’izao Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona izao sy mandritra ny androm-pianinantsika rehetra.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hevitra mandeha

ratf ( 01/02/2016 06:15)
Mankasitraka be dia be Mompera amin'ny fifampizarana ataonao isaky ny alahady fa tena ita ho tena mandresy lahatra. Mahereza amin'ny asan'ny Tompo

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779