Alahady 26 Jiona 2016
Alahady Faha – 13 tsotra Mandavantaona (Taona D)
« Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy »
(Lk. 9: 56)
Araka ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny dia niteny mazava tsara tamin’ny mpianany i Jesoa fa tsy maintsy hijaly mafy izy, ka harian’ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny ; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo. Ho fanatanterahana izany dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema izy araka ny ambaran’ny Evanjely androany. Azo ambara fa mifampitohy tanteraka ireo Tenin’Andriamanitra izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny sy ny omena antsika anio, amin’izao Alahady Faha – 13 tsotra Mandavantaona izao. Ambaran’ity Evanjely androany ity mazava tsara fa : « nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy ; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe : Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy ? Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe : Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy. Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo » (Lk. 9: 51 – 56).
Hita miharihary amin’ity Evanjely ity fa tena vonona tanteraka hanolotra ny ainy ho famonjena ny olon-drehetra i Jesoa. Nanomboka tamin’io fotoana nanapahany hevitra hankany Jerosalema io dia tsy nihemotra intsony izy ary tanteraka tokoa ny fanambarany tamin’ny mpianatra fa tsy maintsy hampijaliana izy ary ho faty saingy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo. Mba hahafahany manatanteraka izany, araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika anio dia nandefa iraka hialoha azy i Jesoa saingy tsy nandray azy ireo ny olona. Mazava araka izany fa ny tsy fandraisana ny iraka nalefany dia midika ho tsy fahavononana handray azy ihany koa. Eto dia mampianatra antsika ity Evanjely ity fa isaky ny tsy mandray amim-pitiavana ireo mpandraharaha masina rehetra izay nantsoin’i Jesoa hanatanteraka ny asany isika dia tsy mandray azy ihany koa satria fantantsika tsara fa amin’ny alalan’ny Teniny sy ao amin’ny Eokaristia no andraisantsika azy ka raha tsy mandray ireo mpandraharaha masina ireo isika, indrindra ny Eveka sy ny Pretra dia ho zava-poana ny faniriantsika handray ny fahasoavana rehetra omen’ny Fiangonana antsika amin’ny alalan’ireo Sakramenta samihafa izay mitarika antsika amin’ny lalam-pamonjena.
Vakiteny I : 1 Mpan. 19: 16 – 21
Tononkira : Sal. 16: 1 – 2, 5, 7 – 8, 9 – 10, 11
Vakiteny II : Ga. 5: 1, 13 – 18
Evanjely : Lk. 9: 51 – 62
Tsy azo lavina fa olombelona tsy mendrika tahaka ny olona rehetra ihany ny Eveka sy ny Pretra ary ny mpandraharaha masina isa-tokony, saingy tsy izay tsy fahamendrehana izay no hataontsika sakana tsy handraisana an’i Jesoa izay mitondra antsika ho tody any amin’ny fahasambarana mandrakizay rehefa tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity. Ekena ihany koa fa tena misy tokoa ny manana toetra tahaka an’i Jakôba sy i Joany izay ambaran’ity Evanjely androany ity fa nangataka tamin’i Jesoa nanao hoe : “Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy ?” Tsy nanaiky izany anefa izy ary nananatra azy ireo mafy nanao hoe : « Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy ».
Valy faty sy lolom-po no mameno ny fontsika olombelona mpanota fa fitiavana sy famindram-po ary fandeferena kosa no mameno ny fon’i Jesoa ka anasany antsika hanao tahaka izany. Voalazany fa tsy tonga hamery ny olona izy fa hamonjy azy, koa raha tena mpanara-dia azy marina isika, tamin’ny alalan’ny Batemy noraisintsika dia tsy maintsy manao tahaka izany ihany koa. Mazava ho azy fa mitaky fandavan-tena sy fahavononana tanteraka io fanarahana ny diany io, araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity manao hoe : « raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe : Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao. Fa hoy i Jesoa taminy : Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany ; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany. Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa : Manaraha Ahy. Dia izao no navalin’io : Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho. Fa hoy i Jesoa taminy : Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe : Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho. Fa hoy i Jesoa taminy : Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra » (Lk. 9: 57 – 62).
Ity fampianarana ambaran’i Jesoa ity dia azo lazaina fa fanamafisana ny efa nambarany tamin’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny manao hoe : « Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany isan’andro, ka hanaraka Ahy. Izay te hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy azy » (Lk. 9: 23 – 24). Mila fahavononana tanteraka ny fanarahan-dia an’i Jesoa ka na amin’ny mora na amin’ny sarotra dia tokony tsy maintsy ho vonona mandrakariva isika hanaraka azy na aiza na aiza itondrany antsika satria tsy tonga hamery ny olona izy fa hamonjy azy, koa raha manara-dia azy tanteraka isika dia azo antoka fa hahazo izay famonjena nampanantenainy izay. Mety hieritreritra isika fa natao ho an’ireo izay mamaly ny antson’Andriamanitra ho Pretra sy Relijiozy izany fa tsy natao ho an’ny olona rehetra. Tena diso hevitra isika raha mihevitra izany satria aoka ho tsaroantsika mandrakariva fa natao ho an’ny vita Batemy rehetra ny famaliana ny antson’i Jesoa. Miara-mivavaka isika androany mba tena hanara-dia azy tanteraka amin’ny seham-piainana misy antsika tsirairay avy ka na eo aza ny zava-tsarotra izay tsy maintsy sedraina manoloana izany dia tokony hatoky mandrakariva isika fa miara-dalana amintsika isan’andro i Jesoa.
Eto am-pamaranana dia tiako ny misaotra antsika rehetra izay mpamaky tsy tapaka izao fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ataontsika isan’Alahady izao. Efa taona maromaro izay no niarahantsika teto saingy noho ny fanirahana vaovao izay omen’ny Fikambanana ahy ankehitriny dia tsy ho afaka hanohy ny fanoratana izao fifampizarana izao intsony aho. Izany indrindra no itondrako ity fisaorana sy fankasitrahana ity. Tsara ho marihina anefa fa izaho no mitsahatra tsy hanoratra eto intsony fa ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra isan’Alahady dia hitohy hatrany satria ny Mompera izay handimby ahy hanao izany dia efa vonona ary manomboka amin’ny Alahady heriny ho avy izao dia izy indray no hanome antsika ny vatsim-panahy izay hanampy antsika handray bebe kokoa hatrany ny Tenin’Andriamanitra. Ialako tsiny be dia be raha nisy ireo tsipelin-teny disoa na mety tsy fahafaham-po tamin’izay nifampizarantsika teto nandritra izay taona maro izay. Olombelona tsy lavorary ihany koa aho ka tsy ho tonga lafatra daholo izay natao fa ireny aloha no vita noho ny fanilovan’ny Fanahy Masina ka dia isaorantsika Andriamanitra nanome hery na ho ahy izay mpanoratra na ho anareo mpamaky ary dia miara-mivavaka isika mba tena hisy vokany ara-panahy eo amintsika tsirairay avy tokoa ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fitaovam-pifandraisana tahaka itony. Enga anie ny tsodranon’Andriamanitra hirotsaka amintsika tsirairay avy.
P. Louis Martin
Assomptionniste