Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao

Alahady 08 Mey 2016

Fankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra (Taona D)

Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona D)

 

« Mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao »

(Jo. 17: 21)

Sady mankalaza ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra isika androany no mankalaza ihany koa ny Alahady Fahafito amin’ny Paka arakaraky ny toerana izay misy antsika tsirairay avy. Efa nohazavaintsika ihany saingy tsy maha-sasatra ny mamerina izany, indrindra ho an’ireo izay tsy mahatadidy na mbola tsy mahalala fa raha ny tokony ho izy sy ny mahazatra antsika Malagasy dia anio no ankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka satria tamin’ny Alakamisy lasa teo no nankalazana ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra. Amin’ny firenena maro anefa dia androany no ankalazana io fety lehibe Niakaran’ny Tompo any an-danitra io fa tsy tamin’ny Alakamisy tsy akory, efa voalaza ombieny ombieny fa ny Paka, ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra ary ny Pantekôty dia fety lehibe tokoa izay ankalazantsika an’i Jesoa nandresy ny fahafatesana ka niakatra any an-danitra ary nandefa ny Fanahy Masina mpankahery. Mba hahafahan’ny rehetra mankalaza ireo fety ireo amin’ny fomba manetriketrika dia eken’ny Fiangonana Katolika ny fankalazana azy ireo amin’ny fotoana tsy mitovy arakaraky ny toerana na ny fombam-pivavahana arahina. Noho izany dia ireo Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra sy ny aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity Alahady Fahafito amin’ny Paka ity no hifampizarana eto.

Raha raisina voalohany ny Evanjely ho an’ny fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra, araka ny nandaharan’ny Fiangonana azy ka aroso antsika amin’ity taona ity dia nambaran’i Jesoa mazava tsara tamin’ny mpianatra fa « araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly ny Kristy sy hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny anarany. Hianareo no vavolombelon’izany. Ary izaho kosa haniraka aminareo ilay nampanantenain’ny Raiko ; fa mitoera ao an-tanàna hianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony. Dia nentiny hivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tànany izy ka nitso-drano azy. Raha mbola nitso-drano azy izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra » (Lk. 24, 46 – 53). Hita miharihary amin’ity fampianaran’i Jesoa ity fa tsy azo sarahina velively ny fankalazana ny Paka sy ny Niakarany any an-danitra ary ny Pantekôty. Izy mihitsy no manazava fa « tsy maintsy hijaly ny Kristy sy hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ». Manaraka izany dia nanafatrafatra ny mpianany izy nanao hoe : «izaho kosa haniraka aminareo ilay nampanantenain’ny Raiko ; fa mitoera ao an-tanàna hianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony ». Ary farany dia ambaran’ity Evanjely ity fa « raha mbola nitso-drano azy izy, dia nisaraka taminy, ka nakarina ho any an-danitra ».

Vakiteny ho an’ny Fankalazana ny Niakaranan’ny Tompo any an-danitra (Taona D)

Vakiteny I : Asa. 1: 1 – 11

Tononkira : Sal. 47: 2 – 3, 6 – 7, 8 – 9

Vakiteny II : Heb. 9: 24 – 28. 10, 19 – 23

Evanjely : Lk. 24: 46 – 53

 

Vakiteny ho an’ny Alahady Fahafito amin’ny Paka (Taona D)

Vakiteny I : Asa. 7: 55 – 60

Tononkira : Sal. 97: 1, 2b, 6, 7b, 9

Vakiteny II : Apok. 22: 12 – 14, 16 - 17, 20

Evanjely : Jo. 17:20 – 26

Ny azo ambara dia izao, tena nitsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy ary androany no ankalazantsika ny Alahady Fahafito amin’ny Paka. Mazava ho azy fa tao anatin’izay Alahady maromaro fankalazana ny Paka izay dia ireo Tenin’Andriamanitra manamafy io fitsanganan’i Jesoa ho velona io no naroson’ny Fiangonana ho antsika. Tsy azo lavina ihany koa fa tena niakatra any an-danitra tokoa izy satria ireo mpianatra izay nanatri-maso io fotoan-dehibe io no nanambara sy nilaza mazava tsara ny hafatra navelany izay niteny tamin’izy ireo nanao hoe : « tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny anarany. Hianareo no vavolombelon’izany ». Tena fantatry Jesoa mialoha io fotoana niakarany any an-danitra io ka mialohan’izany dia nivavaka ho an’ny mpianatra izy ary izany vavaka izany dia nataony ihany koa ho an’ireo rehetra izay hino azy ka ho tonga Kristianina noho ny fanatanterahan’ny mpianatra ny hafatra navelany dia ny Fitoriana ny Vavao Mahafaly amin’ny firenen-drehetra.

Io vavaka nataon’i Jesoa io indrindra no ambaran’ny Evanjely izay voatondro ho an’ny fankalazana ny Alahady Fahafito amin’ny Paka satria « tamin’izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ary nivavaka hoe : Ray masina ô, tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa : mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy, Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha-iray Antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy » (Jo. 17: 20 – 23). Tena ho antsika rehetra tokoa no nanaovan’i Jesoa ity vavaka ity satria tiany ho iray marina tokoa isika araka ny voalazany manao hoe : « mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy ». Ny fahaizantsika mifankatia sy mifanampy ary miombona marina tokoa no hinoan’ny olona fa tena Kristianina mpanara-dia an’i Jesoa isika. Indrisy fa ny mifanohitra amin’izany no hita amin’ny fiainantsika andavan’andro. Ny fifanaratsiana, ny fialonana, ny fisaraham-bazana ary fanararaotana ny madinika no saika hita ombieny ombieny eny anivon’ny fiaraha-monina misy antsika eny. Noho izany dia manasa antsika i Jesoa androany mba hahay hifankatia sy hiray fo marina tokoa ka hampifanaraka ny fiainantsika andavan’andro amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika.

Nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianatra fa tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny anarany, koa amin’izao taona manokana ankalazana ny Famindram-pon’Andriamanitra izao dia miara-mivavaka isika mba tena hahay hamela heloka ny namana ary hibebeka marina tokoa ka handray ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin’Izy Tompo. Efa nivavaka ho antsika izy mba ho iray marina tokoa isika ka enga anie izay vavaka nataon’i Jesoa izay hanamafy hatrany ny finoantsika ka hahatonga antsika ho mpamindra fo sy be fitiavana tahaka ny Ray izay ao aminy, amin’izay dia ho tanateraka tokoa ny faniriany hitondra antsika any amin’izay itoerany araka ny vavaka nataony manao hoe : « Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho » (Jo. 17: 24 – 26).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0454