Alahady 14 jolay 2013
Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona
Rehefa avy nandinika lalina mahakasika ny halehiben’ny fiantsoan’Andriamanitra isika tamin’ny Alahady heriny ary nivavaka ihany koa mba ho maro ireo mamaly ny antso hiasa amin’ny sahan’ny Tompo satria « Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy» (Lk. 10: 2); dia aroson’ny Fiangonana amintsika androany, amin’izao Alahady Faha – 15 tsotra Mandavan-taona izao, ireo Tenin’Andriamanitra izay manambara amintsika fa tsy azo sarahina ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana satria izany no antoka hahazoana ny fiainana mandrakizay. Voalazan’ny Evanjely androany tokoa fa nisy mpampiana-dalàna anankiray tonga haka fanahy an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: « Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay? » (Lk. 10: 25). Tsy nanome valin-teny mivantana anefa i Jesoa fa fanontaniana no nentiny namaly ilay mpampiana-dalana. Hoy indrindra izy manontany hoe : « Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy? » (Lk. 10: 26). Mazava ny fanontanian’i Jesoa sady mpampiana-dalana rahateo no miresaka aminy ka valiny mazava ihany koa no andrasany amin’ity lehilahy izay miresaka aminy ity ary tsy nisalasala akory ilay mpampiana-dalana namaly an’i Jesoa nanao hoe: « Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao » (Lk. 10: 27).
Resy lahatra tamin’io valin-teny nomen’ilay mpampiana-dalana io Jesoa ka niteny taminy manao hoe : « Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona hianao » (Lk. 10: 28). Hitantsika matetika amin’ny ady hevitra ifanaovan’i Jesoa sy ny mpampiana-dalana anefa fa tsy mety resy lahatra ireo mpampiana-dalana ireo fa mitady fomba mandrankariva hamandrihana an’i Jesoa na mitady fomba hanamarinan-tena ka te-hiseho ho mahay ambonin’i Jesoa. Izany indrindra no voalaza amin’ity Evanjely ity satria « nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: Iza àry no namako? » (Lk. 10: 29). Tena miharihary amin’io fanontaniana io fa tsy ny hahazoana ny fiainana mandrakizay no tena antony niresahan’ilay mpampiana-dalana tamin’i Jesoa fa ny hamandrihany azy.
Ny hampahafantatra ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay no tao antsain’i Jesoa ka nahatonga azy niresaka tamim-pahatsorana tamin’ilay mpampiana-dalana. Ny an’ilay mpampiana-dalana kosa anefa dia ny hanamari-tena sy haka fanahy an’i Jesoa no tao antsainy ka nanahotonga azy hanontany hoe : Iza àry no namako? Tsapan’i Jesoa eto fa nivaona ary nandeha amin’ny tsy izy ny fanontanian’ilay mpampiana-dalana. Izay no antony tsy namaliany mivantana io fanontaniana io. Fomban’i Jesoa ny manao fanoharana rehefa mampita fampianarana amin’ny vahoaka fa amin’ny mpianatra kosa dia miresaka mivantana sy mazava izy. Izay valim-panontaniana mivantana sy mazava izay ihany koa no neritreretiny homena ity mpampiana-dalana ity izay noheveriny fa olona manam-pahaizana sy nandalina momba ny lalana ka azo iresahana mivantana tsara. Indrisy fa tsy izay no zava-misy, tsy nametraka ny tenany amin’ny toerana tokony hisy azy ilay mpampiana-dalana fa nanambany ny tenany tamin’ny fametrahana fanontaniana izay tsy tokony hipetraka akory. Vokany tamin’ny alalan’ny fanoharana no namalian’i Jesoa ny fantoniany ary tian’i Jesoa ho tsapany fa tahaka ny olona rehetra ihany izy ary tsy lasa lavitra ny fandinihan-tena nataony matoa tsy fantany hatramin’ny hoe : Iza àry no namako?
Manoloana izany indrindra dia nambaran’i Jesoa taminy ny fanoharana mahakasika ilay « lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany làlana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritana anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho. » (Lk. 10: 30 – 35). Mazava dia mazava io fanoharana nomen’i Jesoa io ka teo ampamaranana ny resaka nifanaovany tamin’ilay mpampiana-dalana dia hoy izy hoe: « Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy? » (Lk. 10: 36). Tsy nisalasala ilay mpampiana-dalana namaly azy nanao hoe: « Ilay niantra azy » (Lk. 10: 37). Dia hoy i Jesoa namarana ny teniny « Mandehana àry, ka manaova toy izany koa » (Lk. 10: 37).
Toetra mety mahazo antsika ihany koa ity toetran’ilay mpampiana-dalana ity. Maro ireo mihevi-tena ho mahay na manan-tsaina ka mitady izay hanamarinan-tena fa tsy manana fanetren-tena. Mazava ny fanazavan’i Jesoa fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana no lalan-tokana hahazoana ny fiainana mandrakizay. Ny resaka fitiavana ny namana moa no tena nipetrahan’ny ady hevitra teo amin’i Jesoa sy ilay mpampiana-dalana ka tian’ny Fiangonana hamafisina amin’ny fanomezana ity Evanjely ity androany fa ny tena tia ny namana dia izay mandray ny olona rehetra tsy misy avakavaka, eny fa hatramin’ny fahavalo aza. Fantantsika fa mpifahavalo ary tsy nifankatia ny Israelita sy ny Samaritana nefa dia ilay Samaritana hevirana ho fahavalo no voalazan’i Jesoa amin’ity fanoharana ity fa namonjy ilay azon’ny jiolahy fa tsy ireo mpiray firenena aminy, indrindra moa fa mpisorona sy levita no voalaza eto. Izy ireo izay tokony hanome ohatra ho tahafina amin’ny famonjena ny hafa nefa dia nivily lalan-kafa ary tsy namonjy ilay azon’ny jiolahy.
Maro ny fampianarana azontsika raisina amin’ity Evanjely androany ity. Eo aloha ny fananana fanetren-tena fa tsy mizahozaho tahaka ilay mpampiana-dalana. Eo ihany koa ny toetra izay nanan’ny mpisorona sy ny levita izay tokony hanome ohatra ho tahafina nefa dia izy ireo indray no tsy miraharaha ny hafa. Ho antsika izay manana andraikitra eo amin’ny sehatra samy hafa dia mampandinika tokoa ity fanoharana nataon’i Jesoa ity. Isika no tahafin’ny olona, tahaka ny levita, ny mpisorona ary ny mpampiana-dalana dia mijery izay ataontsika ny olona ka aoka isika hijoro ho ohatra velona amin’ny fanompoana sy fitiavana ary fanampiana ny namana fa tsy hihalangalana na hanao tazan-davitra ny fahoriana mianjady amin’ny hafa. Miantefa amintsika tsirairay avy ny tenin’i Jesoa manao hoe : « Mandehana àry, ka manaova toy izany koa » (Lk. 10: 37). Noho izany miara-mivavaka isika mba tena hanana fitiavana an’Anandriamanitra sy ny namana tokoa mba ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay omanin’i Jesoa ho an’izay mandray sy manaiky ny teniny.
P. Louis Martin
Assomptionniste