Alahady 01 septambra 2013
Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona
Anisan’ny hatsaram-panahy ampianarin’i Jesoa matetika ny fahaizana manetry tena. Koa rehefa avy nihaino ny fampinarany mahakasika ny làlana mitondra any amin’ny famonjena ary isika tamin’ny Alahady heriny, dia ambarany amintsika amin’izao Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona izao ny maha zava-dehibe ny fanetren-tena izay anisan’ny làlana mitondra any amin’ny famonjena ihany koa. Voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa indray sabata i Jesoa dia niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisiana anankiray. Tamin’izay fotoana izay dia hitan’i Jesoa ny hamaimaizan’ny olona nasaina, naka ny fitoerana voalohany, ka nahatonga azy hanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo : « Raha asaina amin’ny fampakaram-bady hianao, aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho hianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: Omeo an’ity ny fitoeranao, ary amin’izay ho menatra hianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany. Fa raha asaina hianao, dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa; amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao hianao » (Lk. 14: 8 – 10).
Fanoharana ihany ity omen’i Jesoa ity saingy mahakasika mivantana ny fiainantsika andavanandro mihitsy. Amin’izao vanin’andro iainantsika izao tokoa mantsy dia anisan’ny ihazakazana ny fitoerana voalohany, izany hoe ny fananana fahefana sy toeram-boninahitra izay hahafahana misehoseho mba ho hitan’ny olona rehetra. Araka izany dia tsy amin’ny fanasana ihany no ahitana io fisehosehoana sy fihazankazahana haka ny toerana voalohany io, fa saika amin’ny fiainana eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy, hita porofo izany amin’ny toetra ananan’ny olona sasantsasany izay tsy te-hiala amin’ny seza anana fa tena mifikitra mafy tokoa, ary ny sasany indray dia miady seza na manao izay hahazoana seza amin’ny fomba rehetra, indrindra amin’ny resaka pôlitika izay iarahantsika mahalala raha ny zava-misy iainan’ny firenentsika eto Madagasikara no jerena. Tsy fanenjehana na iza na iza no ilazana izany fa fampahafantarana antsika fotsiny ihany ny fampianaran’i Jesoa izay aroson’ny Fiangonana androany amin’ny tonkony hananantsika vita batemy rehetra ny fanetren-tena ka handini-tena amin’izay rehetra ataontsika satria voalazan’i Jesoa mazava tsara amin’ity Evanjely androany ity fa « izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Lk. 14: 11).
Manaraka izany, rehefa avy nilaza io fanoharana mahakasika ny tsy tokony hihazankazana amin’ny fitoerana voalohany io Jesoa dia niteny tamin’ilay nanasa azy nanao hoe: « Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva hianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain’ireo koa hianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana hianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra hianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana hianao » (Lk. 14: 12 – 14). Isika rehetra no asain’i Jesoa hanao tahaka io voalazany tamin’ilay nanasa azy io, saingy firy amintsika tokoa no afaka hanao toa izany ? Raha tsorina dia izao : Iza amintsika no afaka hilaza fa rehefa manao fety dia ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asaina ? Moa tsy ny mifanohitra amin’izany aza no miseho, fa raha sendra misy olona malotoloto fitafiana na tsotso-piainana manatrika ny fanasana dia avankavahana na atositosika mihitsy aza. Azo lazaina fa tena fampieritreretana antsika tokoa io Tenin’i Jesoa io, saingy azo ambara amin’ny saina tsy miangatra fa sarotra ny manantateraka izany. Indraindray aza dia isika tompon’andraikitra mihitsy no tena sarotiny sy manilikilika ireny madinika ireny ka mila mandini-tena tokoa.
Raha fintinina dia ny fahaizana manetry tena sy ny fahaizana mandray ny olona rehetra tsy misy avakavaka no tena hevi-dehibe ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana amintsika androany. Voalazantsika teo fa tsy mora ny manatanteraka izany koa hiara-mivavaka isika mba hotarihin’ny Fanahy Masina mandrankariva ka hiezaka hanana fanetren-tena sy fitiavana marina tokoa araka ny nampianarin’i Jesoa antsika. Azo lazaina fa i Jesoa mihitsy no ohatra velona alaintsika tahaka amin’izany satria na dia Andriamanitra manana ny voninahiny aza izy dia nietry tena ho tonga olombelona ary niara-nonina tamintsika mpanota. Fakan-tahaka ho antsika izy satria tsy mba nanavankavaka fa nandray ny olona rehetra ka sady nanao soa tamin’ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba izy no tsy nisalasala ihany koa niara-nisakafo tamin’ny mpanan-karena tahaka ity voalzan’ny Evanjely androany ity dia ny nidirany hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisiana anankiray. Enga anie ity Tenin’i Jesoa androany ity hanampy antsika hihavao lalandava eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika ka na eo aza ny fahalementsika amin’ny maha olombelona antsika dia hiezaka mandrakariva isika mba hanana faretren-tena sy fitiavana izay hatsaram-panahy fototry ny maha mpanara-dia an’i Kristy antsika.
P. Louis Martin
Assomptionniste