Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra

Lohahevitra : Vatsim-panahy
Fitohizan'ny hafatra : Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra
Valiny : 1
admin - 15/09/2013 09:28
Alahady 01 septambra 2013 Alahady Faha – 22 tsotra Mandavan-taona

Anisan’ny hatsaram-panahy ampianarin’i Jesoa matetika ny fahaizana manetry tena. Koa rehefa avy nihaino ny fampinarany mahakasika ny làlana mitondra any amin’ny famonjena ary isika tamin’ny Alahad... Tohiny
Valio | Miverina eny ambony
hbrazafin - 15/09/2013 09:28
Faly miarahaba ny mpikambana rehetra,

Mahafinaritra ny Tompo ry zareo satria izy no voalohany nanao ohatra ny amin'ny fanetren-tena. Natolony ny momba azy manontolo hamonjena antsika na dia Andriamanitra Feno aza Izy ka nanana fahefana nanala ny Tenany teo ambony hazo fijaliana. Tsy niloa-bava izy na dia naneso sy nandrehoka azy ireo izay nanaovany soa.
Tiako marihina eto fotsiny fa matetika isika diso lalàna ny amin'ny fanetren-tena. Tsara tokoa ny manetry tena fa ny fanetren-tena eo imason'ny olona no matetika ataontsika. Nefa misy fanetren-tena izay ambony lavitra noho izany dia ny tsy eo imason'ny olona tahaka ny mivavako ho an'ny fahavalo, mitia ny fahavalo, manao soa amin'ny olona anankiray nefa tsy fantany, sns
Ny Tompo anie hitahy antsika ary hitondra antsika amin'ny Fahamarinana hatrany
Valio | Miverina eny ambony

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0108 s.] - Hanohana anay