Hira Naoty

Hevitra mandeha

admin ( 08/03/2013 15:34)
Mila atao ato ho ato

- O nivoha ny varavarana
- Mamiko indrindra ianao ry Tompo o
- Mino aho ry Tompo, ampitomboy ny finoako
- Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary
- Masina, Masina (Zafindraony)
- Fiadanana, homba antsika
- Ry Zanakondry (Zafindraony)
- Tompo o! Hitako maso
- Kintan'ny ranomasina.

santomiki ( 10/06/2013 15:04)
Miarahaba ny mpankafy hira katolika.
Mitady notes tsotsotra ohatrin'io FINARITRA NY FO
Ny notes ny hira "Ry Tompoko 'Lay endrikao" no mba tadiaviko
De misaotra mialoha an'zay manolotra eto !!
santomiki ( 10/06/2013 15:07)
Raha ohatra ka manahirana ny notes ny hira "Ry Tompko 'Lay endrikao"
dia mety koa ny hira midi "Ry Tompko 'Lay endrikao"
Misaotra betsaka mialoha
admin ( 10/06/2013 21:45)
santomiki> Nampidiriko ao maimaika ilay naotin'ny Ry Tompoko 'lay endrikao:

https://docs.google.com/file/d/0B5rN_kDrrpinbEFlUlZvaUVUbDA/edit?usp=sharing
santomiki ( 13/06/2013 13:53)
Misaotra fa voaraiko ilay naotin'ny "Ry Tompoko 'lay Endrikao"
fa hianarako anio hariva @ piano izy io.
Dia mankasitraka, samia tahian'Tompo !!

Ny fichier midi mantsy mety ahazoana ny notes @ ny logiciel musique, afaka
atap impression.
admin ( 13/06/2013 13:57)
Nataoko ato ny feony. Tsy dia tena tsara fa azo ianarana azy:

https://soundcloud.com/hery-radiovazogasy-serasera/fihirana-katolika-ry-tompoko

santomiki ( 20/06/2013 05:24)
Miarahaba anao!
Efa nianarako t@ piano "Ry Tompoko ilay endrikao" , ary efa haiko fa ny notes clé de FA
raha misy dia mba omeo fa raha mahita

Be fangatahana izaho, fa raha misy "Nty ny ora sarobidy". Misaotra mialoha
dinaroge ( 13/08/2013 07:28)
salama daholo o, misy manana ny naotin ilay hira "fitiavana mandrakizay" page 112 ao @ Hasina ve azfd?
marcod90 ( 15/09/2013 10:38)
salama daholo a! Mba mangataka naotin'ireto hira ireto azafady :
-izaho no fananganako velona
-amin'ny anaran'i Jesoa
Misaotra indrindra
Just. ( 04/05/2014 20:14)
Salama,
Mba mila naoty ity hira eto ambany raha misy mahala.
1. Ianao ry Jesoa Tompo, Nanao ny sakramentan' Ny mariazy masina Hamonjy ny zanakao.
Ry Tompo maminay o, indreto ny zanakao Nanao ny fanekena teo anatrehanao:
Mangata-pitahiana sy tso-dranonao,
Ho ela velona izy am-panompoana anao.
2. Ny fanekena masina Mamatotra azy izao Tsy misy herin'olona Mahafaka azy ireo.
3. Jereo, ry havan-tiana, Josefa sy Maria: Nifankatia tokoa Ka mba ianaro izy ireo
4. Mifandefera indrindra ary mba mivavaha: Ireo tsarovy tsara Fa vato fehizoro
5. Ny tokantrano tsara Ambini'i Jesoa Omeny tombon-tsoa Sy fiadanam-po
6. Arovy ny mpivady Miankina aminao Fa maro ny adidy Hiantsorohany.
Misaotra mialoha.
Just.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644