Isaorako lalandava

Isaorako lalandava

1- Isaorako lalandava Ianao ry Tompoko
    Nitantana izany diako hatramin'izao
    Na sarotra sy mideza izany lalako
    Naharitra hatramin'izay aho, fa niaraka taminao

FIV: Ka fo falifaly sy ravoravo koa
        No entiko misaotra Anao ry Ray   
        Herezo sy hatanjaho hatrany hatrany
        'Ty zanakao manjohy ny antsonao

2- Isaorako lalandava Ianao ry Tompoko
     Nitantana izany diako hatramin'izao
     Na potraka sy mianjera ho'aho ty zanakao
     Naharitra hatramin'izay aho, fa niaraka Taminao

3- Isaorako lalandava Ianao ry Tompoko
    Namelona ny fitiavako Anao
    Na maizina sy tsy tazana izany lalako
    Matoky hatramin'izay aho, fa niaraka Taminao
 

Hevitra mandeha

lamahefafy ( 05/02/2013 08:53)
salama tompoko!!!!

azafady ,aiza kay no mety ahitana version audio na video an'io hira io !!

misaotra betsaka!!
aiinah ( 06/02/2013 06:18)
Salama! aiza no misy anao? Raha toa ka eto Tana, dia ao @ librairie Catholique Antanimena, na ao amin'ny Librairie Saint Paul Analakely.

Fa ity misy azy ao @ youtube: http://www.youtube.com/watch?v=QRyFJba7I48

mba ahafahanao mahafantatra ilay hira fotsiny.
Mirary soa

Aina

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0661