Diovy aho, Tompo ô

1. Diovy aho, Tompo ô,
Sasao madio ny tenako :
Esory lavitra ny foko
Ny ota tena halanao,
Fa ny zavatra kendreko
Sy iriko lalandava :
Ny hiray fo aminao, ry Jesoa,
Anio sy mandrakizay.
2. Diovy aho, Tompo ô,
Handraisako ny Tenanao
Anatin'ny Eokaristia,
Mistery inoanay tokoa :
Dia ny Vatanao, ry Jesoa,
Ho sakafon'ny fanahiko ;
Ary koa ny Rànao masina
Mpanadio ny tenako.
3. Diovy aho, Tompo ô,
Hananako ny zara soa :
Ho mpandova ny harena masina
Nampanantenanao anay,
Dia 'lay paradisa maminay
Tany feno hasambaram-be
Hahitan'ny masonay ny Ray
Hoderainay mandrakizay.

Hevitra mandeha

lolo-solange ( 03/01/2013 11:28)
Hiran'ny Komonio io fa tsy fifonana (jereo ny tonony )

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208