Miarahaba,
Mety azo atao ve ny manisy 'TON' musical ho an'ireo hira HASINA nampidirin'i Belle .
Ohatra : Ahiratray ny masonay (DO)
Manampy be amin'ny fanomanana litturgie manko ny mahalala izany.
TON indicatif fotsiny dia ampy, mba tsy ahakenda ny miangonana.
Misaotra
Indrisy fa tsy haiko ny ankamaroan'ny hira ka mety tsy ho vita ny hametraka izany.
Sady miankina tanteraka amin'ny mpihira ihany koa. Hitako mihitsy hoe raha vo atao mitovy gamme amin'ny fitendry any Antananarivo no entina any Toliara dia ambany be satria ny olona any zatra feo ambony kokoa.
Tsy misy afatsy ny répétition miaraka amin'ny mpihira ihany no vahaolana... izany hoe fanomanana mialoha.
salama tompoko! Mankasikatra fa tena manampy be dia be ilay Rohy fa indrandra ho anay tsy afaka mampiasa bokim-pivavahana amin'ny teny malagasy mivantana. Afaka mampiasa manankalaza ampilaminana kosa nefa izahay noho ny fandrosoana ara-teknolojika.
FANAMARIHA kely fotsiny e: Ra tsy diso izaho dia SABOTSY no fanoratra marina fa tsy ASABOTSY.
Misaotra indrindra e.... mahafinaritra
Efa misy ihany ny tantaran'ny olomasina vitsivitsy fa mila mpampiditra koa. Izany hoe mijery ny olomasina amin'ny andro izay mbola tsy misy dia mampiditra azy amin'ny teny malagasy. Ato http://katolika.org/olomasina