Salama é,
Azafady fa ny tenako dia mba nandalina kely momba ny "calendrier liturgique" ka misy tsy azoko ny fomba fanisana ireo herinandro tsotra mandavataona ka indro anotaniako eto:
- ny hitako izao ho an'ity taona 2016 ity dia misy herinandro tsotra 4 mialoha ny vanim-potoana karemy, izany hoe mifarana @ herinandro fahaefatra ny herinandro tsotra mialoha ny karemy sy ireo vanim-potoana ankalazana ny paka.
- rehefa tapitra ireo vanim-potoana ankalazana ny paka dia toa manomboka @ herinandro tsotra fahaenina indray ny fanisana.
Ka ny mahagaga ahy dia nankaiza izany ny herinandro tsotra fahadimy???
Misaotra indrindra @ valinteny homenareo.
|