Masina Maria

Lohahevitra : Fandalinam-pinoana
Fitohizan'ny hafatra : Masina Maria
Valiny : 2
Junior57 - 08/01/2016 07:28
Miarahaba antsika rehetra tompoko,

Mba hanotany kely azafady hoe: aiza ho aiza ao anaty baiboly no misy ny filazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra?
Mametraka izany fanontaniana izany aho satria mba efa nitady ihany fa tsy nahita, ary maro koa ireo hafa fiangonana sy finoana amintsika no manontany ahy, dia valiako fotsiny hoe "mianĂ ra katesizy any amin'ny Katolika fa any no misy mahay manazava misimisy kokoa"

Misaotra antsika rehetra
Valio | Miverina eny ambony
admin - 11/03/2016 13:11
Raha toko sy andininy no tadiavinao dia tsy misy "filazana" mivantana ao amin'ny baiboly hoe nampakarina any an-danitra i Maria.

Ary raha mikasika hoe mametraka fanontaniana ny hafa fiangonana dia tsy haiko hoe maninona izy no mametraka fanontaniana. Mahaliana azy ve izany? Ilainy ve izany ? Te hiditra katolika ve izy?

Raha tsy te hiditra Katolika izy dia mandany andro fotsiny ny manazava izany zavatra izany aminy

Mazotoa.
Junior57
Miarahaba antsika rehetra tompoko,

Mba hanotany kely azafady hoe: aiza ho aiza ao anaty baiboly no misy ny filazana ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra?
Mametraka izany fanontaniana izany aho satria mba efa nitady ihany fa tsy nahita, ary maro koa ireo hafa fiangonana sy finoana amintsika no manontany ahy, dia valiako fotsiny hoe "mianĂ ra katesizy any amin'ny Katolika fa any no misy mahay manazava misimisy kokoa"

Misaotra antsika rehetra
Valio | Miverina eny ambony
AndryRaissa - 06/06/2016 09:37
Fiadanan'ny Tompo ho antsika.

Raha te hahafantatra hoe aiza ho aiza amin'ny Baiboly no misy an'i Masina Maria nampakarina any an-danitra ianao?

-Halalino Fanambarana: 12-1-17
-Misy code miafina : 1.260 andro (toko faha 6) ary telo taona sy tapany (toko faha 14)

Mankasitra
Valio | Miverina eny ambony

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0092 s.] - Hanohana anay