Bjr! Ny antony mahatonga antsika Katôlika tsy mahazo mandray any @ Fiangonana hafa dia ny hevitry ny Eokaristia na ny fandraisan'ny finoana hafa io Eokaristia io mihitsy no tsy mitovy, ho antsika dia Izy Kristy no raisina amin'ny Komonio izany hoe Vatana aman-dRà hoy ny katezin'ny fiangonana katôlika lah: 1410 "Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, no fanatitry ny sorona eokaristika." |