Zoma voalohany sy pellérinage

Lohahevitra : Fanontaniana manitikitika
Fitohizan'ny hafatra : Zoma voalohany sy pellérinage
Valiny : 2
kikie - 17/03/2014 12:58
Miarahaba antsika rehetra mpiray dinidinika,

Mba saika hangata-panazavana ny momba ny "Zoma voalohany " sy ny "Pellérinage" azafady, ny olona ohatra ny ahona no afaka manao azy ary inona no tanjona aminy.

Misaotra indrindra,
Mandrampihaona
Valio | Miverina eny ambony
admin - 21/03/2014 09:38
Salama

Ny zoma voalohany aloha dia fomba iray ao anaty Fiangonana mba hahafahana mandray komonio tsara isaky ny zoma voalohany. Tsy didy io akory fa kosa fomba entin'ny olona miaina be be kokoa ny eokaristia ary ny zoma moa izay fotoana manokana hanajana ny Fo Masin'i Jesoa dia fametrahana ny fitokisana amin'ny Fo Masin'i Jesoa koa izany ny famonjena zoma voalohany.

Ny Fivahinianana masina indray (Pélérinage) dia atao amin'ny toerana izay manana lanjany manokana eo amin'ny fanompoam-pivavahana. Toerana iarahana mivavaka. Tsy didy ihany koa no manao fivahinianana masina fa miankina amin'ny zotom-pon'ny tsirairay. Amporisihina kosa anefa ho an'izay manana fahafahana amin'izany indrindra raha tsapany fa mampitodika azy amin'Andriamanitra izany.

Araka ireo dia afaka mamonjy "Zoma voalohany" sy manao "Fivahinianna masina" avokoa ny olona rehetra izay afaka. Ny tanjona dia ny hanatona be be kokoa an'Andriamanitra ao amin'ny vavaka sy ny Eokaristia.
Valio | Miverina eny ambony
kikie - 26/03/2014 10:57
Miarahaba,
Misaotra anao namaly ny fanontaniana fa nahafa-po fa misy zavatra manitikitika dia ohatra ny misy hoe raha maomnjy zoma voalohany in-9 ka misy vavaka angatahina dia mivaly fa raha sendra tsy afa-mamonjy indray mandeha dia miverina izy 9 volana indray. raha mba azonao azavaina ny momba io.
Misaotra mialoha
Valio | Miverina eny ambony

Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0110 s.] - Hanohana anay