FANAZAVANA NY FIZOTRAN’NY LITORJIA AMIN’NY LAMESA

21. admin ( 03/03/2017 23:06)

jenni:

Miarahaba ny mpiandraikitra sady misaotra indrindra fa tena ilaina ity.
Mba te hanamafy fotsiny, manomboka @ alahady 05 Mars 2017 izany dia tsy misy Hira "Voninahitra" mandra-pahatongan'ny Paka?
Dia inona koa no anton'ilay hoe Tsy atao ny hira Fihobiana "Tsara ny mankalaza" nefa toa hiraina foana io, ka oviana io no ampiasaina? Misaotra betsaka tompoko dia mirary soa e!


1. Tsy misy voninahitra mandritra ny karemy manontolo izany hoe nanomboka tamin'ny alarobian'ny lavenona ka hatramin'ny asabotsy masina. Ny alin'ny asabotsy masina (Paka alina) no hiraina maredona ny voninahitra ary ampanenoina ny lakolosy.

2. Ny hira fihobiana dia tokony "manambara ny nahafatesan'i Kristy, mankalaza ny nitsanganany ary miandry ny hiaviany amim-boninahitra". Ilay "Tsara ny mankalaza" dia tsy hahitana an'ireo.

22. manampisoachrist ( 06/03/2017 07:31)

admin:

Ny vaovaom-piangonana dia fifandaminana fa tsy tafiditra ao anaty litorjia. Izany anefa tsy midika hoe tsy zava-dehibe ilay izy satria fiainam-piangonana mihitsy.
Mila jerena ny vahaolana. Inona no antony mahatonga ny olona hivoaka any ivelany? Sao dia tsy henony akory ilay vaovaom-piangonana na ao anatiny aza izy satria tsy mazava ny fanamafisam-peo na koa tsy mazava ny famakin'ilay mpamaky vaovao? Sao dia maha monamonaina loatra ilay vaovao fa tsy mba vaovao intsony?
Anjaran'ny komitin'ny paroasy no mitady fomba hahafahan'ny olona manaraka ny vaovaom-piangonana. Azo atao ny mamoaka gazety kely (takelaka iray isank'alahady misy vaovaom-piangonana) na ny mandefa ny vaovaom-piangonana amin'ny email sns.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106