Misaotra betsaka Mompera ny amin'ny fanazavana ,
Saingy eto amin'ny internet eto mantsy ianareo dia sahy manambara bebe kokoa ny marina tsara, fa rehefa any am-piangonana kosa dia toa zara raha safosafo ihany ny famoaboasana ny Evanjely, toa tsy sahy manintsy marina ianareo fa toa miahotra. tsy haiko izay antony?
Satria raha io Evanjely androany io no tena hiainana sy voasana tsara ny hevi-dehibeny dia tsotra tokoa raha amiko satria :
Ny mpanankarena dia matahotra mafy ny hareny sao ho very.
Ny mpanankarena dia tsy mahafoy be hoan'ny mahantra noho ireo sahirana kokoa
Ny mpanankarena dia manao asa fiatsaram-belatsihy fotsiny ho anareo Mpisorona mba hanam-penam-bava anareo Pretra sy Relijiozy... amin'izay ratsy hataony sy nataony.
Ka noho ireo asa fihatsaram-belatsihy ataony ireo dia manaiky sy tsy mba miteny azy ireo akory ianareo Pretra izay Mpitandrim-pananan'i Jesoa;
Satria iray tsikombakomba aminy ianareo ka matahotra ny hiteny azy ary sao mifototra aminareo koa izany teninareo izany.
Misaotra indrindra, amin' ny fandraisana ity hevitra kely izay arosoko ity, koa enga anie ho samy tahian'ilay Ray Zanaka Fanahy Masina avokoa isika rehetra ka hanavao isan'andro toe-po amam-pitiavana asehontsika amin'ny Kristianina sy ny mpiara-belona rehetra manodidina antsika. |