Voninahitra

1. admin ( 19/07/2013 10:17)
... Tohiny
2. sergekely ( 19/07/2013 10:17)
OMENAY VONINAHITRA

Fiverenana:
Omenay voninahitra e, omenay fanajana a,
Ianao ry Tompo Andriamanitra, ianao ilay avo indrindra
Omeo anay kosa, ny fiadanana ety an-tany
Ny fiadanana ho an’ny olombelona,
Ny fiadanana sy famindram-po.

1 - Ho an’ny Ray ny dera sy ny laza
Mpanjakan’ny tany aman-danitra,
Mpahary an’izao tontolo izao.

2 - Ho an’I Jesoa Zanak’ondrin’Andriamanitra,
Manala ny fahotan’ny olombelona
Ilay Tompo, ‘lay Zanaky ny Ray.

3 - Ianao, ry Tompo, no avo indrindra,
Ianao miaraka amin’ny Fanahy :
Anao irery ihany ny voninahitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102