chapelet

1. SAMLANDY ( 22/05/2013 12:10)
Salama!
Nahoana ho'aho no manao arahaba ny Maria be dia be fa tsy Rainay any an-danitra rehefa manao chapelet
novalian'i SAMLANDY ny 05/12/2016 15:44
2. tsirisitraka ( 28/04/2014 07:46)
Arahaba! ny toko sapile na raozery dia Vavaka mangataka amin'ny Renintsika Maria izay, amin'ny finoana, akaikin'ny Zokintsika Jesoa ka tsy misy zavatra angatahiny amin'ny Zanany ka tsy hohenoin'ny Zanany ("toy ny fahagagana nataon'i Jesoa voalohany, noho ny fangatahan'ny Reniny, na dia mbola tsy tonga aza ny fotoana). Ka mitalaho amin'ny Renintsika isika mba atolony an'i Jesoa ny Vavaka sy Ahiahintsika. Izay no mahatonga ilay Fiarabana Azy.
Mirary soa.
3. SAMLANDY ( 30/04/2014 14:17)
Salama!
Misaotra amin'ilay fanazavana fa saingy tsy de io fanazavana io loatra no tadiaviko satria efa fantatro io,fa ny antony hanaovana an'ilay arahaba be dia be,fa tsy Rainay any andanitra no tsy azoko.
Ny antony hanaovana arahaba fantatro fa le izy maro noho Rainay no tsy azoko.
Misaotra ary enga anie hotsilovin'ny Fanahy Masina antsika rehatra mba ahafantatra ary indrindra indrindra ahatsapa an'ireny zavatra ampiasain'ny fiangonana isika rehetra mba ampiorina finoana
4. admin ( 15/09/2014 14:01)
Fiaraha-mivavaka amin'i Masina Maria ny chapelet ka rariny raha ny Arahaba ry Maria no atao maro.

Afaka manao Rainay any an-danitra be dia be koa rehefa mivavaka fa amin'izay dia tsy chapelet no iantsoana azy.
5. SAMLANDY ( 16/09/2014 12:37)
Salama!
Ekeko ny valinteny fa saingy tsy mahafa-po,ohatra ny vatatenan'i Jesoa no nanome an'i Masina Maria antsika ho reny "RAHA VEHIVAVY INDRO NY ZANAKAAO,RAHA LEHILAHY INDRO NY RENINAO"
ny antony mahatonga ahy manontany an'io anie sao za diso fanaja an'i Masina Maria ka ampitovy azy amin'Andriamanitra é,
Hoy mantsy reo vehivavy amin'i Jesoa "SAMBATRA NY KIBOIZAY NITOERANAO.....fa hoy navalin'i Jesoa:...SAMBATRA KOKOA IZAY MIHAINO ILAY ZAZA NATERANY...."tsy de izay loatra no nolazainy fa heviny fotsiny ny ahy.
Mba tsy hadiso antsika katolika no antony hitiavako ahamatantra ny maha maro ny arahaba an'iMaria be dia be nefa za tamin'ny katesizy tsy mbola nampianarina vavaka misy Rainay any andanitra be dia be.
Fantro satria mendrika harabaina ny Renintsika fa sao RENY=JESOA=ANDRIAMANITRA ny fanantanterahana azy satria mora ny miteny hoe TSY MIVAVAKA AMIN'I MASINA MARIA,FA ANKAMAROAN4NY MPINO VE MANGATA-BAVAKA SA MIVAVAKA.
Saropiaro amin'ny fiangonana mantsy za ka miezaka hampafantatra amin'ireo namana izay ao anatiny fisalasalana amin'ny fiangonantsika ny mampahafantatra sy manitsy ny fomba fisainandreo amin'ny hevi6diso ka io chapelet io izao no tena tsivoavaliko,efa nanontany pretra vitsivitsy za fa mbola tsinahazo valiny mahafapo,nefa tsikivy ary mbola miandry fa mbola hatorin'i Fanahy Masina anahako izany amin'ny alalan'izay irahiny eo.
Mahereza amin'ny asan'ny Tompo ry sakaiza!
admin:

Fiaraha-mivavaka amin'i Masina Maria ny chapelet ka rariny raha ny Arahaba ry Maria no atao maro.

Afaka manao Rainay any an-danitra be dia be koa rehefa mivavaka fa amin'izay dia tsy chapelet no iantsoana azy.
6. RadoH ( 12/11/2014 18:50)

SAMLANDY:

7. admin ( 12/11/2014 18:55)
Ny olona manao chapelet dia manao vavaka fibanjinana an'i Jesoa miaraka amin'i Maria.

Tsy voatery hatao ny chapelet fa mahazo tombony kosa izay manao azy.

Raha misalasala na tsy mahazoazo manao chapelet dia aza manao :-)
8. RadoH ( 12/11/2014 20:38)

SAMLANDY:

Salama!
Ekeko ny valinteny fa saingy tsy mahafa-po,ohatra ny vatatenan'i Jesoa no nanome an'i Masina Maria antsika ho reny "RAHA VEHIVAVY INDRO NY ZANAKAAO,RAHA LEHILAHY INDRO NY RENINAO"
ny antony mahatonga ahy manontany an'io anie sao za diso fanaja an'i Masina Maria ka ampitovy azy amin'Andriamanitra é,
Hoy mantsy reo vehivavy amin'i Jesoa "SAMBATRA NY KIBOIZAY NITOERANAO.....fa hoy navalin'i Jesoa:...SAMBATRA KOKOA IZAY MIHAINO ILAY ZAZA NATERANY...."tsy de izay loatra no nolazainy fa heviny fotsiny ny ahy.
Mba tsy hadiso antsika katolika no antony hitiavako ahamatantra ny maha maro ny arahaba an'iMaria be dia be nefa za tamin'ny katesizy tsy mbola nampianarina vavaka misy Rainay any andanitra be dia be.
Fantro satria mendrika harabaina ny Renintsika fa sao RENY=JESOA=ANDRIAMANITRA ny fanantanterahana azy satria mora ny miteny hoe TSY MIVAVAKA AMIN'I MASINA MARIA,FA ANKAMAROAN4NY MPINO VE MANGATA-BAVAKA SA MIVAVAKA.
Saropiaro amin'ny fiangonana mantsy za ka miezaka hampafantatra amin'ireo namana izay ao anatiny fisalasalana amin'ny fiangonantsika ny mampahafantatra sy manitsy ny fomba fisainandreo amin'ny hevi6diso ka io chapelet io izao no tena tsivoavaliko,efa nanontany pretra vitsivitsy za fa mbola tsinahazo valiny mahafapo,nefa tsikivy ary mbola miandry fa mbola hatorin'i Fanahy Masina anahako izany amin'ny alalan'izay irahiny eo.
Mahereza amin'ny asan'ny Tompo ry sakaiza!
admin:

Fiaraha-mivavaka amin'i Masina Maria ny chapelet ka rariny raha ny Arahaba ry Maria no atao maro.

Afaka manao Rainay any an-danitra be dia be koa rehefa mivavaka fa amin'izay dia tsy chapelet no iantsoana azy.

Salama
(Avy @ RadoH)
1 Fiaraha-mivavaka : ekena fa fanajana sy fangataham-bavaka amin'i Masina Maria ny Fiarahaban'ny anjely. Fa rehefa ao amin'ny toko sapile na raozery kosa izy, dia hita mazava noho ireo mistery banjinina eo am-panaovana azy, fa fiaraha-mivavaka amin'i Masina Maria, . Tsy hoe miandry azy fotsiny isika, fa miara miasa aminy amim-pinoana, fa akaiky an'i Jesoa izy, mba hirosoantsika lalina kokoa.
2 Fimbanjinana : toa adinontsika matetika fa, akoatry ny maha vavaka azy, dia natao himbanjinana ireo mistery voatantara ao amin'ny Soratra Masina koa ny toko sapile na ny raozery. Io fimbanjinana io indrindra no mila fifantohan-tsaina, lehibe araka izay tratra, mba hiainana izany Soratra Masina izany, hakana lesona aminy, hampitomboana ny finoana... Hiaraha-manaiky fa vavaka feno ny Vavaky ny Tompo, misy fangatahana maro ao. Ny "Arahaba ry Maria" kosa dia mirakitra teny fanajana tsotra, mora tadidy, tsy misy fangatahana maro, ary efa vita tsianjery. Ity farany ity izany, indrindra fa raha averimberina, dia mamela malalaka kokoa ny saintsika hibanjina loha-hevitra hafa mandritra ny fanononana azy. Izany no antony ilazana mialoha ireo mistery hobanjinina mandritra ny toko sapile na ny raozery.
3 Isika sa i Masina Maria ? Tsy i Masina Maria, fa isika no mety ho tratry ny tsy fifantohana rehefa mivavaka na rehefa mimbanjlna ny misterim-pamonjena. Tsy noho ny fanajana an'i Masina Maria ihany, fa noho ny fahalementsika indrindra koa no amerimberenana ny Arahaba ry Maria, mbahahamora sy hahalalina kokoa ny fifatohan-tsaintsika amin'ny fibanjinana ireo mistery ireo. Fanampiana antsika izany fa tsy fanandratana an'i Masina Maria, izay efa nomen'Andriamanitra ny toerana mendrika ny Renin'Andriamanitra.

9. raboba ( 11/01/2016 17:47)
Raha ny fahazoako azy indray dia toa i Masina Maria t@ fisehoany ireny no nampianatra ny fanaovana ny chapelet ho toy io izay midika fa:
- maneho ny fahatanterahan'ilay tononkiran'i Maria manao heo : "fa indro hatramin'izao dia hataoin'ny taranaka rehetra hoe sambatra aho" Lioka 2, 48b.

- filazana ny fahatongavan'ny Teny (Andriamanitra) ho Nofo (Olombelona) raha jerena ny vontoatin'io Arahaba ry Maria io ao amin'ny tapany voalohany.

- fitaomana an'i Maria hivavaka ho antsika

Noho izany ny famerimberenana imbetsaka dia midika fa manao antso avo ny mahaAndriamanitra an'i Jesoa tonga olombelona ao an-kibon'i Maria sy fiarahan'i Maria mivavaka amintsika, izay samy tsy zakan'ny demony daholo ny maheno ireo.

Izany no mahatonga ny rosaire ho anisan'ny ronjom-bavaka andresena ny asan'ny ratsy, Maria ihany no nilaza izany any@ ireo fampanentanana 15 ho an'izay mazoto manao rosaire.

Koa aza miahiahy mamerina ny Arahaba ry Maria imbetsaka fa rojom-bavaka andresena ny ratsy io sy mitaona anao handray an'i Jesoa ao am-po.
10. augustndro ( 30/05/2016 12:44)

SAMLANDY:

Salama!
Nahoana ho'aho no manao arahaba ny Maria be dia be fa tsy Rainay any an-danitra rehefa manao chapelet

Ny salamo no vavaka fanaon'ny Jody taloha ary mandrak'ankehitriny izay misy 150, ka izany no mahatonga ny katolika mamerina ny Arahaba ry Maria in-150 mandritra ny mistery iray manontolo. vavaka fanaon'ny olona tsy dia nianatra izy io fahiny nefa tena manandanja teo amin'izy mianaka (Maria sy Jesoa). Ny famerimberenana ny arahaba ry maria dia ahafahanao miala amin'ny fieritreretana zavatra maro mety mampiasa saina anao isan'andro hoy ilay mambra ekipan'ny raozery iray koa dia mahereza manao raozery fa ataovy foana ny tenin'andriamanitra mifanaraka aminy satria io tenin'andriamanitra io no entina hodinihina mandritra ny sapile
11. AndryRaissa ( 06/06/2016 13:46)
Fiadanana ho anareo

Mizara roa ny Arahaba ry Maria na koa hoe "Fiarahaban'ny Anjely":
-Voalohany-Fanambaran'i Anjely Gabriel an'i Jesoa tonga nofo.
-Faharoa : io no tena vavaka fangatahana "Masina Maria Renin'ATRA,mivavaha ho anay mpanota; ankehitriny ary @ andro ahafatesanayAmen".

Koa io fizarana faharoa io, io no tena rindram-bavaka fonoson'ny chapelet. Ny fiverenany maro mandritra izany no hivalian'ny vavaka araka ny nambaran'i Jesoa : Matio 10- 15:28 "lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao.".

Mankasitraka

12. harivony16 ( 05/12/2016 12:38)
Mba mangataka ny fampiasana io chapelet io tompoko ny tenako ho an'izay afaka mamaly. Ny aiko zao dia ny hoe ilay bokotra 10 ireny dia arahaba ry Maria 10 fa ilay bokotra tokana eny anelanelany eny dia tsy haiko ilay après an'ilay croix ihany koa tsy misy haiko.
Misaotra betsaka ho an'izay mamaly ry namana.
13. SAMLANDY ( 05/12/2016 15:44)

Salama,
Misaotra amin'ilay valiteny reto à,mankasitra tomopoko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122