Soso-kevitra

1. rdrol ( 04/03/2013 10:24)
Misaotra ny mpikarakara aloha mamelona an'ity tranonkala ity.
Ireto mba misy soso-kevitra na tsikera kely atolotro satria ny hahatsara moa no atao. :
- Tsara raha misy liens ho an'izay manana tranon-kala katolika malagasy mba hahafahana mampandroso sy mivezivezy amin'ny tranonkala katolika.
- Mety koa aza raha misy filazana an-tsoratra ny fisian'ity tranon-kala ity eny amin'ny filazana eny am-piangonana katolika eto madagasikara fa indrindra Europe - Canada - USA sy ny sisa.
- Ho an'ireo mahay zava-maneno dia tsara raha mampiditra partitions na miaraka amin'ny accords fotsiny aza ho an'ireo tsy mahay notes tain-dalitra. Efa misy 4 eto amin'ny tranon-kala nefa betsaka ny hira katolika.
- Misy pub mivoaka matetika izay tsy mifanaraka amin'ny maha kristianina ny tena eto amin'ny sehatra (ohatra : meetic - Sarim-behivavy tsy miankanjo ambony - ...) Mety ho virus angamba nefa manahirana ny maso ihany.
Torohevitra fotsiny ny ahy mba hahatsara kokoa ity tranonkala ity izay hita fa tena mahafinaritra sy misy fihezahana hatrany, nefa fantatra fa sarotra ny manao zavatra ka miala tsiny raha misy tsy mety izay nolazaiko.
novalian'i admin ny 02/01/2024 22:28
2. admin ( 02/01/2024 22:28)
Mbola ato ve ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558