Hafatrafatrao fahiny, tamin’ny Mpianatrao
Mpianadahy ianareo, mifankatiava re
Hifankatia zahay, zahay tanoranao,
Ka ahelinay ry Jesoa, ny baiko nomenao
Marobe ireo namanay, tsy mahalala anao
Maro koa reo havanay, tsy mbola tia anao
Indreto izahay, zahay tanoranao
Hampanjaka anao ry Jesoa, eto amin’ny Nosinay
|