Ilay lehilahy hafa teneninao ve ato amin'ny Katolika? sa protestanta ihany?
Raha ny lalanan'ny finoantsika, dia tsy afaka hamasinina in-droa ny fanambadiana, raha tsy hoe: noho ny fahatesan'ny iray no nahatonga ilay fisarahana.
Noho izany, raha toa ka hoe, mbola samy velona izy roa, fa nisaraka fotsiny, dia tokony tsy afaka hamasinina fanindroany intsony ilay vehivavy, ary voasokajy ho isan'ny Heloka lehibe izany, raha tsy mandalo amina Eveka iray.
Enga anie tsy aoriana loatra ny valin-teniko. Mirary soa
Nisaraka velona ve nefa ilay vehivavy? ary efa fantatr'ilay lehilahy ve hoe ef natao mariazy izy? ndrao mantsy tsy fantany ilay izy.
Raha toa namanao akaiky ny iray amin'izy ireo, dia asaivo manatona RADm-piangonana. Eveka, na fara-faharatsiny, ny Père curé an'ilay Paroasy.
Tsy fantatro ny lalàna amin'ny Eglisy Protestanta, na afaka averina hamasinina na tsia ny fanambadiana, fa raha ny tokony ho izy, dia ny fahafatesana ihany no mandrava ny sakramentan'ny mariazy
mbola samy velona izy roa ary fantatr'ilay vadiny faharoa fa efa natao mariazy izy dia le lehilahy tsy mety @ le anaovana azy mariage fanindroany fa le vehivavy no manery azy.
raha izany no zava-misy dia efa tsy manaiky ilay lehilahy satria mahafantatra fa tsy azo atao izany, fa ny antsony isisihan'ilay vehivavy no ilaina ho fantatra.
Namanao angaha ilay vehivavy? Raha eny, dia miaraha ianareo miresaka @ RAD henoiny teny, hanazava aminy ny tsy fetezany.
Ka ndrao heveriny ho tsy sakramenta ny noraisin-janany? Maro mantsy ny katolika sasany no mihevitra, fa ny ao amin'ny Katolika ihany no sakramenta, ka sao dia izany no antony.
Fa ny mahagaga ahy, dia hoe ny RAD katolika ve dia tsy tokony hahalala an'izany, na dia tamin'izy mivady niofana tamin'ny fanambadiana kristianina fotsiny. Raha tsy hoe angaha, tsy nandalo teny amin'ny FIFAKRI zareo?
Mampalahelo mihitsy, fa maro ny katolika, tsy mahalala tsara akory ny tena maha-katolika azy, fa mande an-jambany fotsiny, sy an-kazarana
ka zay no olany voalohany indrindra. Ko maninona moa zareo raha maka hevitra RAD m-piangonana?
Mfankatia tsara ve nefa le vehivav s le namanao tereny haka vady azy? ary mba mitombina tsara ve ny antony nisarahany t@ vadiny voalohany?
Ndrao mantsy, raha vitany toy izany ny nanitsakitsaka ny hasin'ny mariazy noraisiny, tsy te hanan-dratsy amin'ny namanao ny tenako, Miorina @ fitiavana tsara ve ny fifandraisan'izy ireo.
Hoy ilay pretra izay hoe, ny fisaraham-panambadiana, raha vao tong @ fanitsahana ny hasin'ny mariazy, tsy misy afaka ilaza mihitsy, fa tsy ho hitsahin foana ze mariazy atao @ eo.
Raha toa ka tsy noheveriny ho sakramenta ny mariazy noraisinjanany t@ voalohany, maninona anefa izy no nekeny ho alainy vady t-at-zany?
Shhh! za zao vehivavy, fa tsy kilalao ny fiainana. Marina tokoa fa maro no mihevitra sy faly fotsiny hoe atao mariage, tsy mahalala akory ny tena antony. Mety ho isan'izany angamba izy.
Aleoko ihany aloha tsy atao mariazy raha toy izany no entina misaina, marina e!
Mivavaka sy mirary soa ho an'ny namanao, sy izay mety ho tohin'ny fiainany, fa aleo ianao mba ho eo mandrakariva hakàny hevitra. Mirary soa
salama! amin'ny mariage dia araka ny fandaminana ataon'ny pretra ao amin'ilay paroasy na izay pretra manamasina, fa misy fotoana roa afaka hanatanterahana ny fanaterana labozia sy voninkazo.
Ny iray aorian'ny fanaovan-tsonia, izany hoe mandritry ny rakitra na amin'ny fanolorana, ny iray kosa dia mandritry ny antsa fisaorana.
Misy koa ireo pretra no miteny alohan'ny famaranana sy fivoahana hoe, izy mivady no hivoaka hialoha antsika rehetra fa mialohan'izany dia hanatitra labozia / voninkazo eo amin'ny Masina Maria izy ireo.