izay rehetra hiteny ratsy ny fanahy masina dia tsy ahazo famelankeloka

1. fiovana ( 30/11/2012 17:28)
hono hoa tompoko mbo mila fanazavana fanampiny aho raha tsy mahadiso: voalaza fa tsy mahazo famindrampo izay rehetra miteny ratsy @ fanahy masina de inona moa no, tena hevin'io,ka raha sanatria ve tompoko mety hoe ny eritreritr'ilay olona fotsiny no, maloto ka mety miteny ao @ eritreriny fa tsy navoakan'i vavany d mety tsy ahazo famindrampo le olona eh zany hoe mety fanahy ratsy no manintona azy hiteny na handrangotra azy aneritreritre fa voatoatrany anefa le izy fa tsy nolazainy d ahoana no momba izay kay .de mankasitraka sahady oh
novalian'i barli ny 13/09/2014 06:31
2. aiinah ( 06/02/2013 06:55)
Ny tsara2 kokoa angamba,tsy raisina ara-bakiteny be loatra ilay tenin'Atra, fa raisina ara-keviny.

ary sosokevitra hoe, manatona olom-boahosotra hanampy anao amin'ny fanazavana.
3. SAMLANDY ( 22/05/2013 13:01)

Manahoana,
Marina fa mampatahotra io tenin'Andriamanitra io,izaho manokana aloha de matahotra ,satria tside azoko tsara le miteny ratsy ny Fanahy Masina.
Ny finoako fotsiny de na isika olombelona ratsy ity aza rehefa hipitrapitrana de mba mamindra fo ihany ka maika fa ILAY FITIAVANA sa ahoana.
Rehafa manaraka an'ilay fitsipik'i Md Paoly hoe AZA MITSARA,HO INONAO IZAY ATAON'NY HAFA ...FA NY ANAO DE FITIAVANA IHANY
4. rakantofinaritra ( 07/08/2014 08:23)
tena tsara be ilay fanontaniana an! Fa ny azoko hambara dia izao: ny Papa Joany Paoly faha-2 dia efa nanazava an'io tamin'ny taratasy izay nosoratany, miala tsiny fa hadinoko ny lohateniny, fa lazainy tsara mazava ao fa misy telo izy io. Fa tsara angamba manatona pretra e!
5. barli ( 13/09/2014 06:31)
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Ny fahazoako azy dia toy izao manaraka izao:
Efa misy làlam-pamonjena nosoritin'Andriamanitra Ray ho an'ny vahoakany sy izao tontolo izao :
-Andriamanitra Ray dia efa nitady ny fomba rehetra mba hampiverenanana ny olony aminy noho ny faharatsiantsika olombelona, nataony izany tamin'ny alalan'ireo mpaminany rehetra nifanesy sy tamin'ny alalan'ny asa maro samihafa. Manoloana izany dia tao ny nino nefa maro no nanao tsinontsinona.
-Mbola naniraka ny Zanany Lahitokana ihany koa izy, mbola fialana nenina ihany izany ho antsika olombelona, samy mahalala isika ny Asa Famonjena nataon'i Jesoa Kristy, ny fampianarany ary ny nanaovany sorona ny Tenany mba ho fampihavanana antsika olombelona amin'Andriamanitra Ray. Izany hoe fiainganana vaovao ho antsika olombelona indray io .Manoloana izany anefa dia tao ny nino nefa maro no nanao tsinontsinona toy ny teo aloha.
-Rehefa vita ny Asa Famonjena nataon'i Jesoa Kristy teto an-tany ka niakatra ho any an-danitra izy dia nampidina indray ny Fanahy Masina izay natao hampianatra sy hanoro làlana antsika (maro ireo asan'ny Fanahy Masina izay miasa ato amintsika raha tena mandray Azy isika ary tena maro ihany koa ny vokatra tsara azo avy amin'izany - vakio Gal 5:22) koa raha haniratsira sy handa ny Fanahy Masina isika inona indray no mbola andrandraintsika hihazoana ny làlana mankany amin'ny Famonjena satria raha mamaky ny eo alohan'ilay Tenin'ny Soratra Masina io isika dia ny vokatry ny nofo no ambarany eo, izay tena mamarina antsika any an-kady. Tsy misy afa-tsy ny fankatoavana ny Tenin'ny Soratra Masina ihany no hahavonjy antsika satria voalaza mazava ao daholo ny Lalam-mpamonjena nosoritin'Andriamanitra Ray hatry ny ela ka mandra-pihavin'ny andro hisehoan'i Jesoa Kristy eny amin'ny rahon'ny lanitra hitsara antsika.
Izany no midika fa ny Fanahy Masina no hanoro sy hampianatra antsika ary hanitsy antsika mandra-pihavin'izany andro izany ary mbola tolon-tsaina avy aminy no ahafahan-tsika mahatsiaro mivavaka sy mitodika amin'Andriamanitra Ray, noho izany tsy azo vazivazina io satria ala-nenina farany ho antsika olombelona.

Misaotra indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703