Fifohazam-panahy Katolika.

1. Barli ( 19/11/2011 12:33)
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Ny fanontaniana manitikitika ahy dia ny momba ireo mpiandry katolika, tena misy tokoa ve izy ireo araka ny feo re ary aiza no mety ahitana azy?

Misaotra mialoha.
novalian'i Barli ny 12/08/2021 13:24
2. dapiste ( 16/12/2011 06:48)
Barli:

Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Ny fanontaniana manitikitika ahy dia ny momba ireo mpiandry katolika, tena misy tokoa ve izy ireo araka ny feo re ary aiza no mety ahitana azy?

Misaotra mialoha.

ho anao raha te hahalala misimisy kokoa momba io lazainao hoe mpiandry katolika io dia izao no izy miantsoa ny radio don bosco de ao ianao manontany amin'ilay fandaharana hoe hono hoa mompera; de mazotoa e
3. aina07 ( 06/02/2012 22:30)
Miarahaba antsika rehetra. Mikasika ny fifohazam-panahy katolika moa no resaka. Hamariniko ary fa tena misy tokoa io. Groupe karismatika no ilazana azy. Marihiko eto fa katolika avokoa ny mpikambana ao, ary mivondrona isan-kerinandro mivavaka. Ao anatin'ny groupe amin'ny maha fifohazam-panahy azy, dia miezaka ny mamoha ny fanahinao, mandalina ny finoana an'Andriamanitra Trinité Masina. Mivavaka ihany no asa atao amin'izany, rehefa vita ny vavaka dia misy fampianarana na fandalinana ary misy koa fijoroana vavolombelona (ireo olona nahatsapa fa nahazo fahasoavana avy amin'Andriamanitra no mijoro vavolombelona). Izany rehetra izany mba hanairana ny fanahy mbola matoritory na mbola voarebireby amin'ny fiainana eto an-tany. Ary koa mba handalinana sy hanamafisana ny finoana an'Andriamanitra, ka hamelona ny fanantenantsika indray. Amin'izao fiainana izao dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no afaka mamonjy antsika. Mangeja antsika ny demony noho ny heloka vitantsika, ka mila mitalaho amin'Andriamanitra ny famindram-pony isika raha te ho voavonjy. Isaky ny alarobia hariva, manomboka amin'ny 02 ora hatramin'ny 04 ora hariva ny fihaonan'ny groupe, ao amin'ny chapelle ESCA Antanimena. Isaky ny alarobia voalohan'ny volana no manao lamesa, ary misy Pretra karisma mitarika izany. Manasa anao ary ho tonga fa hiara-hivavaka isika, raiso ho mpanjaka ao am-ponao àry i Jesoa Kristy, efa ela izy no niantso anao, ary miandry anao izy amin'izao fotoana izao. Ho hitanao fa hiova ny fiainanao raha mandray an'i Jesoa ao am-ponao ianao. Mandray anjara amin'ny maha mpisorona, mpanjaka ary mpaminany an'i Kristy isika tamin'ny alalan'ny Batemy noraisintsika ka nahoana ary no hanaiky hogejain'ny demony? Ao am-piangonana i Jesoa, miandry anao Izy. Inoako ary fa mahazava amin'ny ankapobeny ny fanazavako, rehefa tonga ao ianao dia hohazavain'ny Fanahy Masina anao ny antsipiriany rehetra. Misaotra anao namaky hatramin'ny farany.
4. Barli ( 09/02/2012 10:53)
Miarahaba anao izay namaly ny fanontaniana, hisaorana ianao noho izany fampahafantarana ny fifohazam-panahy katolika izany fa zava-dehibe ho ahy tokoa ny fahafantarana izany ary efa ela no naniriko hahalala azy, moa tsy mivaona amin'ny fombafomba katolika izay ahalalana ny katolika ve io fifohazam-panahy io, toy ny sary vongana samy hafa sy ny amin'i Masina Maria, raha azonao valiana mba valio azafady indrindra.
Momba ny fanasana indray dia misaotra indrindra fa voaray na ny toerana na ny ora ka ho jerena akaiky izany.
Misaotra indrindra tompoko.
5. aina07 ( 12/02/2012 12:18)
Miarahaba anao. Mikasika ny fanontanianao hoe : tsy mivaona ve io fifohazam-panahy io? Tsotra fotsiny ny valiny : tsy mahafantatra Andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina isika katolika. Dia toy izany koa ny ao amin'ny groupe karismatika. Manaja an'i Masina Maria amin'ny maha Renin'Andriamanitra Azy, sady Virjiny no Reny. Manaraka ny lalàna rehetra misy ao amin'ny Fiangonana Katolika. Tsy misy mivaona mihitsy raha fintinina. Ny ao amin'ny groupe aza mamporisika an'izay rehetra tonga mivavaka ao hazoto handray ny Sakramenta. Satria irinay tokoa ny hiray tena amin'i Jesoa Kristy, mifamporisika izahay handray ny Sakramentan'ny Fampihavanana mba hiavanana bebe kokoa amin'Andriamanitra. Eo ihany koa ny fandraisana ny Sakramentan'ny Eokaristia izay inoanay tokoa fa tena sakafo mamelona ny fanahy amam-batana ( tsy izaho intsony no velona fa i Jesoa no velona ato anatiko.)Anisan'izany ny fiezahana miala amin'ny fiainan'izao tontolo izao, mba hikatsahana ny tena fiainana miaraka amin'i Kristy. Rehefa miaraka amin'i Jesoa mantsy dia toa mandeha ho azy angamba no teny ilazako azy ny fiainana. i Jesoa no miaina ao anaty. Raha sanatria misy manjo dia miara-mizaka izany amin'i Jesoa Kristy, ka manjary toa tsy henonao intsony ny fangirifiriana tsy maintsy niaretana fa efa napetraka taminy avokoa izany rehetra izany. Tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao e. Ny tany sy ny lanitra, ny masoandro amam-bolana, sns... aza ve teny indraim-bava no namoronany azy, ka maika fa izay fahasoavana kely mba takatry ny saintsika sy tena angatahintsika any Aminy?? Ny tenin'Andriamanitra no entinay miaina eny an-dalam-piainanay eny. Mino aho fa nahavaly ny fanontanianao ireo voalazako ireo. Mirary soa anao ary tadidio fa miandry anao i Jesoa Kristy ao amin'ny Sakramenta Masina. Mandra-piresaka indray.
Aina07
6. ZOUM ( 29/02/2012 10:25)
Bjr,fanontaniana kely manitikitika ahy,manao toy ny fomba fanaon mpiandry any @ finoana hafa ireny v izany ireo?ary naninona no tsy voalaza mihitsy tany aloha fa izao vao mipoitra???
aina07:

Miarahaba anao. Mikasika ny fanontanianao hoe : tsy mivaona ve io fifohazam-panahy io? Tsotra fotsiny ny valiny : tsy mahafantatra Andriamanitra hafa afa-tsy Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina isika katolika. Dia toy izany koa ny ao amin'ny groupe karismatika. Manaja an'i Masina Maria amin'ny maha Renin'Andriamanitra Azy, sady Virjiny no Reny. Manaraka ny lalàna rehetra misy ao amin'ny Fiangonana Katolika. Tsy misy mivaona mihitsy raha fintinina. Ny ao amin'ny groupe aza mamporisika an'izay rehetra tonga mivavaka ao hazoto handray ny Sakramenta. Satria irinay tokoa ny hiray tena amin'i Jesoa Kristy, mifamporisika izahay handray ny Sakramentan'ny Fampihavanana mba hiavanana bebe kokoa amin'Andriamanitra. Eo ihany koa ny fandraisana ny Sakramentan'ny Eokaristia izay inoanay tokoa fa tena sakafo mamelona ny fanahy amam-batana ( tsy izaho intsony no velona fa i Jesoa no velona ato anatiko.)Anisan'izany ny fiezahana miala amin'ny fiainan'izao tontolo izao, mba hikatsahana ny tena fiainana miaraka amin'i Kristy. Rehefa miaraka amin'i Jesoa mantsy dia toa mandeha ho azy angamba no teny ilazako azy ny fiainana. i Jesoa no miaina ao anaty. Raha sanatria misy manjo dia miara-mizaka izany amin'i Jesoa Kristy, ka manjary toa tsy henonao intsony ny fangirifiriana tsy maintsy niaretana fa efa napetraka taminy avokoa izany rehetra izany. Tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao e. Ny tany sy ny lanitra, ny masoandro amam-bolana, sns... aza ve teny indraim-bava no namoronany azy, ka maika fa izay fahasoavana kely mba takatry ny saintsika sy tena angatahintsika any Aminy?? Ny tenin'Andriamanitra no entinay miaina eny an-dalam-piainanay eny. Mino aho fa nahavaly ny fanontanianao ireo voalazako ireo. Mirary soa anao ary tadidio fa miandry anao i Jesoa Kristy ao amin'ny Sakramenta Masina. Mandra-piresaka indray.
Aina07
7. barli ( 02/03/2012 14:31)
Miaraha ba antsika rehetra.Miombo-kevitra amin'ny fanontanian'ilay namana teo aho, ary nahoana ihany koa no tsy misy asa fampaherezana atao any am-piangonana ? sa lasa hoe fikambanana ao anatin'ny fiangonana ilay fifohazam-panahy? nahoana ihany koa no tsy dia misy loatra ny fampianarana ny baiboly eo anivon'ny mpino katolika io izao no tena hitako ho tena lesoka amin'ny mpino katolika, eo ihany koa ny tsy dia fahafehezana ny vavaka tora-po fa tsy maintsy manaraka foana ireo vavaka azo lazaina hoe efa hay tsianjery, manao ahoana ny ao amin'ny fofohazam-panahy manoloana izany? Misaotra mialoha.
8. aina07 ( 06/03/2012 20:22)
Miarahaba antsika indray ary, dia misaotra indrindra anareo tamin'ny fanontaniana. Ho valiko voalohany aloha oe maninona no tsy heno mihitsy hatramin'izay fa izao vao mipoitra. Ny pretra Karismatika dia efa nisy efa ela, toy izany koa ny fikambanana Karismatika. Izao vao heno satria izao no tena miha-mafy ny asan'ny demony eto ambonin'ny tany. Valin-teniko manokana io fa tsy oe izay akory no tena antony. Raha ny fomba fanao indray, tsy mbola nahita ny tany amin'ny finoana hafa aho, fa ny ato amin'ny Karismatika na koa antsoina hoe groupe merci Seigneur dia manaraka ny fomba katolika, ary mbola hamafisiko hatrany fa tsy mivaona amin'ny fivavahana katolika mihitsy akory. Toy ny kristianina katolika rehetra e. Izy indray ohatra ny oe fikambanana misy ao amin'ny Fiangonana ihany ka, misy ny tsy mbola ahitana an'io fikambanana io ny Paroasy. Ankoatra izay, miombon-kevitra aminareo aho hoe tsy dia mahafehy ny Baiboly sy ny fivavahana tora-po loatra ny Katolika. Amiko manokana aloha ny fianarana Baiboly dia lalana iray ahafantarana an'Andriamanitra sy izay lazainy amintsika tsirairay avy. Ka io dia arakaraky ny hetahetan'ny tsirairay. Ny hitako lesoka ihany koa, kamo ny ankamaroantsika hiditra ao anaty fikambanana, dia atao ala-olana ny tsy fahafahana mivory, nefa ao anatin'ireny fikambanana ireny misy fampianarana, fandalinam-pinoana, sns... ohatra : ao amin'ny groupe Merci Seigneur, misy ny mpitarika, manao vavaka tora-po mandritra ny fotoam-bavaka. Avy eo misy indray ny fampianarana, na ny fomba fivavaka, na ny tokony hatao rehefa hivavaka. Velombelona ery ny finoanao maheno ny fijoroana vavolombelona ataon'ireo namana. Ao ireo mahazo fahasoavana amin'ny alalan'ny olomasina, ao ireo mijoro vavolombelona fa sitrana tamin'ny aretiny tamin'ny alalan'ny vavaka sy ny rano voahasina. Finoana daholo no mahatonga an'izany, ka velom-panontaniana ianao hoe nahoana moa ny olona no omen'Andriamanitra fahasoavana nefa izaho no tsy mhaazo?? Eo dia manomboka mikaroka ny sainao hahalala bebe kokoa an'Andriamanitra satria ianao koa te hahazo fahasoavana. Ka tsy maintsy mitombo ny fahazotoanao mamaky Baiboly, mamonjy Lamesa, fa indrindra indrindra ny fiombonana amin'Andriamanitra ka mandray ny Sakramentan'ny Fampihavanana sy ny Eokaristia. Ireo mantsy mampiombona aina amin'i Jesoa Kristy " tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko", dia mino ianao fa feno fahasoavana azo tsapain-tanana ihany koa ny fiainanao satria tsy ny ara-panahy ihany no hosoavin'Andriamanitra fa ny ara-batana ihany koa. Ka ny tena loharano voalohany dia ny Fiangonana ihany e, tsy misaraka amin'ny Fiangonana ary manaraka sy mino ny fampianaran'ny Fiangonana fa Andriamanitra no nanambara izany taminy.
Dia misaotra anareo indray ary namaky hatramin'ny farany e. Dia ho samy hotahian'Andriamanitra isika rehetra
Aina07
9. iloinen ( 18/06/2012 12:16)
Miarahaba antsika rehetra,

Mba hizara izay mba kely fantatro aho momba ity lohahevitra ity
Ato am fiangonana katolika d misy ny atao hoe renouveau charismatique na amin teny malagasy FIHAVAOZANA KARISMATIKA izay niandoha tany Etazonia tam taona 1973 ngamba izy zay raha tsy diso aho izay efa eken'ny fiangonana ka ny ao anatiny dia Eveka, Pretra, relijiozy, lahika. Raha ny fahafantarako azy dia misy ny atao hoe fandraisana effusion ataon'ireo mpikambana ka rehefa hita fa vonona amin'izany ka ny Pretra no manome tso-drano ary avy eo dia afaka manao fametrahan-tanana.

Misy ihany koa nefa etsy andanin'izay ny atao hoe: FIFOHAZAM-PANAHY KATOLIKA izay raha ny fahafantarako azy dia fikambanan'ireo Katolika izay niofana ho mpiandry tany amin'ny Fiangonana hafa izay manao fitaom-pivavahana isaky ny alarobia maraina ao amin'ny RVM izay raha ny fahafantarako azy mbola tsy eken'ny fiangonana fa mivavaka izy ireo mba ho tonga izany.
Fanamarihana fotsiny ihany no ataoko fa tsy fanakianana ho fanampin'ny fanazavana efa misy ka raha misy te hanitsy ireo voalazako dia aza misalasala maneho hevitra.
Misaotra
10. barli ( 01/08/2012 09:44)
Miarahaba antsika rehetra,

Misaotra anao nanome izany fanazavana izany, io fikambanana manao fotoampivavahana ao amin'ny RVM io mihitsy no tena mahaliana ahy satria izahay moa dia io radio io ihany no tena henoina, hay izany tena marina fa mbola tsy tena ofisialy izy io, izaho anefa mino fa efa dingana lehibe ho an'ny mpino katolika io satria maro ihany ny fanankianana mahazo azy.

Misaotra bestaka.
11. dapiste ( 08/10/2012 12:40)

barli:

mba azonareo omena ve hoe firy ny mari-drefy haazoana io RVM io ary isaky ny @ firy le fotoam-pivavahana mandeha isaky ny alarobia
12. Iloinen ( 08/10/2012 12:48)
Ny mari-drefy dia 106.8MHZ ary isaky ny @ 5:30 maraina ny fandaharana no mandeha raha tsy diso aho
dapiste:

barli:

Miarahaba antsika rehetra,

Misaotra anao nanome izany fanazavana izany, io fikambanana manao fotoampivavahana ao amin'ny RVM io mihitsy no tena mahaliana ahy satria izahay moa dia io radio io ihany no tena henoina, hay izany tena marina fa mbola tsy tena ofisialy izy io, izaho anefa mino fa efa dingana lehibe ho an'ny mpino katolika io satria maro ihany ny fanankianana mahazo azy.

Misaotra bestaka.

mba azonareo omena ve hoe firy ny mari-drefy haazoana io RVM io ary isaky ny @ firy le fotoam-pivavahana mandeha isaky ny alarobia
13. barli ( 15/03/2013 14:13)
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Misaotra indrindra amin'ny fanomezana ny mari-drefy sy ny ora ahafahana manaraka ny fandaharana atolotry ny fifohazam-panahy katolika.
Izany hoe raha azoko tsara dia samy hafa ny fifohazam-panahy katolika ao amin'ny RVM sy ny groupe karismatika, mety misy afaka manome fanazavana fanampiny ve ?
Efa nanatrika fotoana niaraka tamin'ny fifohazam-panahy katolika ao amin'ny RVM ny tenaka ary hira katolika mihitsy no hiraina, izany indrindra no manitikitika ahy.
Isaorana mialoha.
14. iloinen ( 17/03/2013 14:23)
Marina tokoa ny voalazanao fa samy hafa ny gropy Karismatika sy ny fifohazam-panahy katolika ao amin'ny RVM. Iry voalohany dia eken'ny Fiangonana ary niofana tao amin'ny Fiangonana Katolika ary nahazo tso-drano avy amin'ny Pretra sy ny eveka, marihiko fa misy Pretra mihitsy mpikambana ao any an-dafy misy eveka aza fa ity faharoa kosa dia olona "katolika" niofana ho mpiandry tany tany amin'ny fiangonana hafa

15. iloinen ( 17/03/2013 14:24)

16. barli ( 18/03/2013 10:25)
Miarahaba antsika amin'ny anaran'ny Tompo,
Misaotra indrindra an'ilay mpamaky nanome ny fanazavana rehetra momba ny fifohazam-panahy katolika fa mazava tsara mihitsy izy izao. Mino aho fa na ny foto-kevitra sy ny fampianarana aza mety ho samihafa ho an'ireo antoko roa voalaza ireo.
Dia mirary ny fahasoavan'Andriamanitra ho amintsika rehetra.
Misaotra Tompoko.
17. rakantofinaritra ( 07/08/2014 08:41)

barli:

Miaraha ba antsika rehetra.Miombo-kevitra amin'ny fanontanian'ilay namana teo aho, ary nahoana ihany koa no tsy misy asa fampaherezana atao any am-piangonana ? sa lasa hoe fikambanana ao anatin'ny fiangonana ilay fifohazam-panahy? nahoana ihany koa no tsy dia misy loatra ny fampianarana ny baiboly eo anivon'ny mpino katolika io izao no tena hitako ho tena lesoka amin'ny mpino katolika, eo ihany koa ny tsy dia fahafehezana ny vavaka tora-po fa tsy maintsy manaraka foana ireo vavaka azo lazaina hoe efa hay tsianjery, manao ahoana ny ao amin'ny fofohazam-panahy manoloana izany? Misaotra mialoha.
18. augustndro ( 30/05/2016 12:56)

Barli:

Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'ny Tompo.
Ny fanontaniana manitikitika ahy dia ny momba ireo mpiandry katolika, tena misy tokoa ve izy ireo araka ny feo re ary aiza no mety ahitana azy?

Misaotra mialoha.

Tena misy fa vitsy izy ireo
19. augustndro ( 31/05/2016 14:01)
Tsara ny miditra ao amin'ireo vondrona karismatika raha tianao ho fantatra ny fahamasinanao, izaho aloha mbola tsy mambra fa miaraka mivavaka amizareo dia eo no ahatsapako ny fahamasinany toetran'ilay olona na tsia
20. sahoby ( 26/08/2019 14:13)

augustndro:

Tsara ny miditra ao amin'ireo vondrona karismatika raha tianao ho fantatra ny fahamasinanao, izaho aloha mbola tsy mambra fa miaraka mivavaka amizareo dia eo no ahatsapako ny fahamasinany toetran'ilay olona na tsia

Miarahaba antsika rehetra tena manahiran-kevitra be ihany io FIFOHAZAM-PANAHY Katôlika io toa zary SEKTA nivoaka tao amin'ny eglizy mihitsy aty aminay aty Antsirabe misy pretra mitarika avy any Tanà an'io fa de sahy milaza hoe tsy mila izay alalana avy amin'izay evekanareo izahay de gaga ianao hoe fa angaha tsy ny eveka no tompon'ny dioseziny sa efa sekta vao2 ity de miangavy mba avahana tsara ilay Karismatika izay nahazo alalana tamin'ny EKAR sy io sekta vao io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126