Miarahaba antsika indray ary, dia misaotra indrindra anareo tamin'ny fanontaniana. Ho valiko voalohany aloha oe maninona no tsy heno mihitsy hatramin'izay fa izao vao mipoitra. Ny pretra Karismatika dia efa nisy efa ela, toy izany koa ny fikambanana Karismatika. Izao vao heno satria izao no tena miha-mafy ny asan'ny demony eto ambonin'ny tany. Valin-teniko manokana io fa tsy oe izay akory no tena antony. Raha ny fomba fanao indray, tsy mbola nahita ny tany amin'ny finoana hafa aho, fa ny ato amin'ny Karismatika na koa antsoina hoe groupe merci Seigneur dia manaraka ny fomba katolika, ary mbola hamafisiko hatrany fa tsy mivaona amin'ny fivavahana katolika mihitsy akory. Toy ny kristianina katolika rehetra e. Izy indray ohatra ny oe fikambanana misy ao amin'ny Fiangonana ihany ka, misy ny tsy mbola ahitana an'io fikambanana io ny Paroasy. Ankoatra izay, miombon-kevitra aminareo aho hoe tsy dia mahafehy ny Baiboly sy ny fivavahana tora-po loatra ny Katolika. Amiko manokana aloha ny fianarana Baiboly dia lalana iray ahafantarana an'Andriamanitra sy izay lazainy amintsika tsirairay avy. Ka io dia arakaraky ny hetahetan'ny tsirairay. Ny hitako lesoka ihany koa, kamo ny ankamaroantsika hiditra ao anaty fikambanana, dia atao ala-olana ny tsy fahafahana mivory, nefa ao anatin'ireny fikambanana ireny misy fampianarana, fandalinam-pinoana, sns... ohatra : ao amin'ny groupe Merci Seigneur, misy ny mpitarika, manao vavaka tora-po mandritra ny fotoam-bavaka. Avy eo misy indray ny fampianarana, na ny fomba fivavaka, na ny tokony hatao rehefa hivavaka. Velombelona ery ny finoanao maheno ny fijoroana vavolombelona ataon'ireo namana. Ao ireo mahazo fahasoavana amin'ny alalan'ny olomasina, ao ireo mijoro vavolombelona fa sitrana tamin'ny aretiny tamin'ny alalan'ny vavaka sy ny rano voahasina. Finoana daholo no mahatonga an'izany, ka velom-panontaniana ianao hoe nahoana moa ny olona no omen'Andriamanitra fahasoavana nefa izaho no tsy mhaazo?? Eo dia manomboka mikaroka ny sainao hahalala bebe kokoa an'Andriamanitra satria ianao koa te hahazo fahasoavana. Ka tsy maintsy mitombo ny fahazotoanao mamaky Baiboly, mamonjy Lamesa, fa indrindra indrindra ny fiombonana amin'Andriamanitra ka mandray ny Sakramentan'ny Fampihavanana sy ny Eokaristia. Ireo mantsy mampiombona aina amin'i Jesoa Kristy " tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato amiko", dia mino ianao fa feno fahasoavana azo tsapain-tanana ihany koa ny fiainanao satria tsy ny ara-panahy ihany no hosoavin'Andriamanitra fa ny ara-batana ihany koa. Ka ny tena loharano voalohany dia ny Fiangonana ihany e, tsy misaraka amin'ny Fiangonana ary manaraka sy mino ny fampianaran'ny Fiangonana fa Andriamanitra no nanambara izany taminy.
Dia misaotra anareo indray ary namaky hatramin'ny farany e. Dia ho samy hotahian'Andriamanitra isika rehetra
Aina07 |