Ny Teninao, Tompo ô, no mamiko sy teliko

Ny Teninao,    Ny Teninao, Tompo ô,
No mamiko,    Mamiko sy teliko,
Ny lalanao,     Ny lalanao, lalako,
Ny sitrakao,    No sitrako.
        (averina manontolo)
 (Sal. 39)

I.
1 Tomp ô, intý aho,  
 Mitondra horonan-taratasy
 Nosoratanao ho ahy.
 
2 Tompo ô, ianao 
 No heriko, anjarako sy lovako,
 Aron'ny fanahiko.

II.

1. Aoreno aminao ny diako tsy eny an-dalanao
Tena sarotra ny lalako

2. Enga anie ianao hianao ny teny fivavahako,
Ka havotanao 'ty olonao.

3. Tompo ô, asehoy eto aminay ny hatsaram-ponao,
Ny matoky Anao tsimbininao.

4. Tompo ô, 'nty aho mitondra ilay fifanekena
Nosoratanao ho ahy.

5. Tompo ô, 'nty aho hitory ny fahamarinanao,
Tsy hiato ny molotro.

6. Tompo ô, 'nty aho, tsy tanako hiafina ao am-poko
Ny fitiavano ahy.

7. Tompo ô, 'nty fantatro, tsy sitrakao ny sorom-panonerana,
Fa ny foko ny tianao.

8. Tompo ô, raiso re, omeko Anao ny foko manontolo,
Ary ampiasao ho Anao.

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 68
Fihirana Hasina p. 153
Vavaka sy Hira p. 276
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219